airtel

Sosialy

15-sept-2022

Sosialy

Fiainana andavan’andro Niaka-bidy avokoa ny vary, menaka ary siramamy

Sample post image

Niaka-bidibe indray Tena sahirana ny vahoaka Malagasy. Tsy mitsaha-miakatra ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro tato ho ato, indrindra fa ny vary.

15-sept-2022

Raha araka ny fanadihadiana natao teny amin’ireo tsena maro isan-tsokajiny ohatra omaly dia nahitana fiakarany 150 Ar be izao ny iray kapoaka amin’ny fotsim-bary. Raha mbola 650 Ar tamin’ny tapa-bolana lasa ny iray kapoaka amin’ny vary makalioka sy vary gasy dia tafakatra 800 Ar izy amin’izao eny an-tsena. Raha mbola 4.500 Ar ny iray kilao tamin’ny siramamy fotsy tamin’ny herinandro dia efa tafakatra 5.000 Ar izany amin’izao. Ho an’ny menaka madio fanendy indray raha mbola 8500 Ar ny iray litatra tamin’ny herinandro dia efa 10.000 Ar amin’izao. Ny tena mampitaraina ny mpanjifa, indrindra fa ireo tsy dia salama loatra ka tsy maintsy mampiasa ireny menaka voavaotra ireny dia ny fiakaran’ny vidiny ihany koa. Ho an’ny huilor manokana dia efa mahatratra 15.000 Ar amin’izao ny iray tavoahangy mihidy raha mbola 10.000 Ar izany teo aloha. Ankoatra ireo voatanisa rehetra ireo dia niaka-bidy be ihany koa ny voamaina, ny savon.
Pati
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap