mikasika ny fampiakarana ny karaman’ny sehatra tsy miankina, raha toa ka efa nisitraka kosa ny mpiasam-panjakana. Ny 01 may 2022, iray volana katroka omaly mantsy mantsy no nilazan’ny Filoha Rajoelina, fa hiakatra ny karaman’ny mpiasa tsy miankina. Efa nisitraka fisondrotana ny mpiasam-panjakana, fa mihisatra kosa ny an’ny tsy miankina. Ny mandray karama farany ambany no nofaritana mazava fa napetraka ho 250 000Ar izany, raha 200 000Ar teo aloha. Ny latsakemboka tokony halohan’ny mpampiasa any amin’ny CNaPS (Caisse Nationale de Prévoyance Sociale) manodidina ny 34 000Ar no asaina alefa avy hatrany any amin’ny mpiasa, ary ny fanjakana no hanefa ilay latsakemboka na “charge patronale”. Niteraka adihevitra io hoe: tena ho voaloan’ny Fanjakana ve? Tsy hisy fiatraikany any amin’ny fisotroan-dronono ve? Ny karama farany ambany no mazava, fa ny ankoatra izay baraingo tanteraka satria natsipy tany amin’ny mpampiasa hoe: arakaraka ny fahafaha-manao. Manjavozavo io, ary toa lasa misy endrika fampiadiana ny mpiasa sy ny mpampiasa. Na izany aza, efa nisy ny fifampidinihan’ny mpandraharaha nialohan’ny fihaonana tamin’ny Fanjakana ka namaritra fa 9,9% ao ny fampiakarana tokony hampiharina ho an’ny tsy miankina. Tsy mbola fantatra izay hiafarany. Inona tokoa no tsy hahasahian’ny Fanjakana mamoaka didim-panjakana amin’izay mba mazava kokoa ny saim-bahoaka? Izao lasa ny mpampiasa sy ny mpiasa no toa lasa misy ady mangatsiaka ny sasany. Nahoana no nihazakazahana ny namoaka fa hiakatra ny karaman’ny tsy miankina fa mihisatra kosa ny famahana didim-panjakana? Sa izay tokoa ilay hoe: lasa alohan’ny omby ny sarety ka ny fitadiavana doka aloha no zava-dehibe fa ny fanatanterahana mbola lavitr’ezaka ?
Toky R
Nanapa-kevitra ny hanangona ireo vy manodidina ny toerana misy ny orinasa ireo mpiasa any amin’ny Orinasa Kraoma any Brieville,
Tsy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ihany no miaka-bidy eny an-tsena amin’izao. Ho an’ireo tantsaha mpamokatra ihany koa mantsy dia midangana izaitsizy ny vidin’ny zezika,
Sambany nitsidika ny faritra atsimon'i Madagasikara izay tratry ny haintany ny Ambasadaoro Amerikana Pierangelo. Nanamafy ny fanohanan’i Etazonia ny fampihenana ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fanamafisana ny fahaiza-miatrika
Miomana amin’ny taom-pambolena manaraka ny tantsaha ao amin’ny Kaominina Fiombonana Distrika Antananarivo Atsimondrano.
Nahazo vary avy tamin'ny fitondram-panjakana tarihin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny Mpiasan'ny SECREN ((Société d’Etudes, de Construction et de Réparation Navales)