airtel

Sosialy

11-janv-2022

Sosialy

Fiakaran’ny vidim-piainana ankehitriny “Na fisondrotan-karama 50% aza tsy ampy”

Sample post image

Na fisondrotan-karama 50% aza tsy ampy hiatrehana ny fiakaran’ny vidim-piainana ankehitriny, hoy ny avy eo anivon’ny Firaisamben’ny sendika malagasy revolisionera na FISEMARE.

11-janv-2022

Tsy misy antenain’ny malagasy amin’ny resaka sosialy ny kabarin’ny filoham-pirenena, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Mananandro Jean Raphael. Ny mpiasa amin’izao fotoana izao dia mijery hoe ahoana ny ampitombo ny vola miditra aminy hifanatsahana amin’ny vidim-piainana. Efa nisy moa ny taratasy fangatahana fihaonana amin’ny fivondronan’ny mpampiasa izay nataon’ny CTM. Any no ahitana angamba hoe izao isan-jato no hifanarahana. Ny taona 2019 no nisy fisondrotan-karama farany. Teo no nametrahana hoe 200.000 ariary no karama farany ambany, izay lasa nanahirana satria lasa nitovy ny karaman’ny isan’ambaratongany ary iny koa mbola nakana isan-jato amin’ny CNAPS sy sosialy. Mikarama latsak’izay izany izao ny ankamaroan’ny mpiasa. Sahirana ny mpiasa Malagasy satria lany an-dalana ilay karama. Tonga any an-trano, 1 na 2 andro dia ritra. Ho an’ny FISEMARE manokana dia ny fampiharana ny fehezan-dalana sy lalana efa misy mikasika ny asa no hangatahanay, ankoatran’ilay fisondrotan-karama. Rehefa mihatra ny fehezan-dalana dia tratra ny hoe “Asa mendrika, karama mahavelona!” eto Madagasikara. Tsy tokony ho maika hanova io “code de travail” io isika fa mbola betsaka ny andinin-dalana tsy mihatra araka ny tokony ho izy ao. Anjaran’ny fanjakana ny mifehy ny vidim-piainana. Tsy fantatro hoe mankaiza ireo hetra alaina amin’ny mpiasa fa tsy misy tamberin’andraikitra, hany ka tsy miheritreritra mpitondra intsony fa samy miaro ny tenany ny vahoaka Malagasy amin’izao fotoana izao. Miasa mafy nefa kely karama ny mpiasa Malagasy amin’izao, hany ka tsy maharitra ny taham-pahavelomany. Mila jeren’ny fitondram-panjakana ny fampanan’asa sy fametrahana asa mendrika sy ny fiahiana ara tsosialy ary ara-pahasalamana, hoy hatrany ny sekretera jeneralin’ny FISEMARE.
J. Mirija
Legende: Ampiharo aloha ity, hoy ny sekretera jeneraly
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap