airtel

Sosialy

22-mai-2024

FIAKARAN’NY VIDIN’NY ATODY

Nitarika fiakaran’ny vidin-tsakafo maro

Sample post image

Nahitana fiakarany 100 Ar isanisany ny vidin’ny atody eny an-tsena nanomboka tamin’ny faran’ny

22-mai-2024

herinandro teo nankalazana ny fetin’ny Pentekosta. Raha 700 Ar izany teo aloha dia lasa 800 Ar raha efa misy mahatratra 850 Ar ny an’ny sasany. Raha araka ny fanazavan’ireo mpivarotra dia hatrany am-potony mihitsy no mampiakatra ny vidin’ny atody noho ny halafosan’ny vidin’ny provandy hamahanana ny akoho. Eo an-daniny anefa dia maromaro ihany ireo mpivarotra hita sy tazana nampiakatra vidin’entana noho ny fahatongavan’ny fety. Tsy nampidininy toy ny teo aloha intsony izany nanomboka omaly talata 21 May fa notazoniny, antony manosika ireo mpivarotra mofomany…hampiakatra ny vidin’ny entana hamidiny ihany koa. Raha 600 Ar ohatra mbola nahazo compose teo aloha dia efa lasa 800 na 1.000 Ar izany amin’izao....Lasa niakatra ho 5000 Ar ihany koa ny didin’ny mofomamy iray mba tsaratsara raha 4500 Ar teo aloha.
Pati
Legende : Nisy nahatratra 900 Ar ny atody omaly Alatsinainy teny an-tsena !

 

 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Mahasarotiny ny Randrana sendikaly ny CNaPs satria miantoka ny ain’ny mpiasa sy ireo nahavita be teo amin’ny asa,

Card image cap
12-juin-2025

Nampiakarin’ny Banky Iraisam-pirenena ho 3 dolara na 15000Ar eo isan’olona isan’andro ny

Card image cap
12-juin-2025

Mbola ny kaominina hatrany no manao ny asan’ny JIRAMA amin’ny famahana

Card image cap
12-juin-2025

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika ankehitriny,

Card image cap