airtel

Sosialy

22-sept-2026

FIANAKAVIANA

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Sample post image

Nahazo tohana avy amin’ny Ministeran’ny mponina

22-sept-2026

Nijery sy nitsinjo manokana ireo traboina vokatry ny haintrano nitranga tao Soagoago, Ankaraobato, distrikan’i Marovoay ny Ministeran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy. Fianakaviana miisa 248 no nahazo tantsoroka ara-tsakafo sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro tamin’izany. Nahazo fitaovam-pianarana sy fanampiana ihany koa ireo ankizy, ho fanehoana fa tsy avela irery izy ireo ao anatin’izao fotoan-tsarotra izao. Araka ny toromariky ny Minisitry ny Mponina sy Firaisankina, Ramatoa Rakotoniaina Voahanginirina Cathia. dia nidina ifotony nanatanteraka izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, notarihin’ny Prefet an’i Mahajanga, niaraka tamin’ny Birao nasionaly misahana ny loza voajanahary sy ny Talem-paritry ny Mponina sy Firaisankina ao Boeny. Ny 16 Septambra lasa teo moa no nitrangan’ity haintrano tany amin’ny distrikan’i Marovoay ity. Trano hazo am-polony maro no lasibatra noho ny antony tsy fantatra. Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy na naratra. Omaly Alatsinainy 21 Septambra ihany dia efa nanomboka ny fizarana ny fanampiana.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka iza fanampiana hozaraina !
 

Dans la même rubrique

22-sept-2026

Manatanteraka ny teny

Card image cap
22-sept-2026

150 sy sekoly iray

Card image cap