airtel

Sosialy

14-févr-2024

Fianakaviana150 isa eo eny

Morondava Antehiroka Mitaraina ho misy mikasa hanilika amin’ny toeram-ponenany

Sample post image

Naneho ny fitarainany amin’ireo tomponandraiki-panjakana eto amin’ny

14-févr-2024

firenena omaly ireo solontenan’ny mponina ao Andramiarana, fokontany Morondava, kaominin’Antehiroka, manoloana ny endrika fanilihana azy ireo eo amin’ny toerana fonenany izay nohajarian’ireo razambeny efa ho 50 taona mahery izao, hoy ny nambaran’izy ireo. Efa nanangana trano sy nanao fambolena teto, hoy ny solontenan’ireo mponina, Randrianoelisoa José Alain na Ralay, ny raiamandreninay ary mitohy hatramin’izao izany. Nisy olona tonga moa nilaza tamin’izany hoe ity tany ity dia taninay vita taratasy ara-dalàna. Rehefa nandeha ilay izy dia hoe teratany vahiny no tompony. Ny mahagaga anay ankehitriny anefa dia tsy dia teratany vahiny loatra no miady aminay eto fa misy olona mpiara-monina aminay eto ihany. Nanao fangatahana teny anivon’ny tribonaly izahay ny taona 2022. Nahazo taratasy didy nalefa teny amin’ny «Domaine» na sampan-draharaha momba ny fananan-tany izahay. Nidina ifotony taorian’izay ny tomponandraikitry ny fananan-tany mifandray rantsana amin’ny minisitera. Nanamarina ny fisianay teto ireo ny 11 aogositra 2023. Miandry ny didy izay saingy mandra-piandry izany dia lasa enjehina izahay mipetraka eto fa hoe manakorontana, mangalatra tany dia torian’ilay mpiara-monina aminay eto. Efa hatramin’ny 2021 izy no nitondra ny raharaha teny amin’ny tribonaly dia rehefa tonga teny moa dia niteny ny fampanoavana hoe tsy aditany izy ity dia lasa tsy nitohy ilay raharaha. Ny taona 2022 dia nenjehina indray izahay fa nolazainy ho namboly teo izy dia nongotanay ny ketsa, nokorontaninay izy, novonoinay dia lasa indray nampiakatra ny raharaha teny amin’ny tribonaly. Mbola niakatra fampanoavana indray izahay ny voalohandohan’ny volana septambra 2023. Namaly tao amin’ny fampanoavana ilay rangahy nilaza ho potika voly fa tsy nisy voly teo. Mba gaga ihany izahay hoe izahay tompon’ny fambolena indray izany no nanimba zavatr’olona vao namboly. Nivoaka ny didy ny 11 desambra. Nilaza ny fampanoavana fa ho afahana madiodio izahay satria tsy mitombina ny fiampangana anay. Gaga izahay ankehitriny raha nahazo ny taratasy teny amin’ny «domaine» ny alakamisy teo dia nisy vaditany nanatitra taratasy fiantsoana anay indray ny zoma milaza hoe izahay dia mamotika voly sy manakorontana io olona mipetraka ety aminay io. Izay no hangatahanay ny tomponandraikitra mba tena hijery ny zava-misy satria lany vola izahay miaka-midina eny amin’ny fitsarana nefa ny fihariana voahelingelina. Sanatria ve rehefa tena vizana izahay dia hoe andao ho helohina mihitsy? Heverina fa tsy rariny izany. Fianakaviana miisa 150 eo izahay no mipetraka eo, izany hoe mponina 800 eo, hoy hatrany ireto mponina ireto.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique