airtel

Sosialy

11-mars-2024

Fiarahamonina efa tena marary

Vady nandeha nankalaza 8 martsa no namonoan-tena

Sample post image

Ahitan-javatra maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina.

11-mars-2024

Lohalaharana amin’izany ny ain’ny mpivady izay matetika hamonoan’ny sasany tena mihitsy na miara-mandeha any ankoatra izy roa. Lehilahy iray nonina tany Mananara Avaratra tany no fantatra fa maty nananton-tena tamin’ny tady rehefa tsy nahavita nandresy lahatra ny vadiny tsy hivoaka ny trano ny datin’ny 08 Marsa lasa teo. Tsy fantatra mazava anefa izay tena anton’izany na hasarotam-piaro na misy zavatra efa tsikariny fa tsy nanaiky ilay vehivavy, antony nahatongavany amin’izao fanapahan-kevitra handao ny tany izao. Olona teo an-tanana moa no nahita an’ity lehilahy ity efa tsy nisy fofon’aina intsony ary nitsirara tamin’ny tany tao an-tokantrano ka niantso ny manam-pahefana. Tsiahivina fa voararan’ny lalana ny famonoan-tena. Amin’ny maha-Kristianina ihany koa dia voararan’ny Baiboly ny fanaovana izany koa tsy misy vahaolana afa-tsy ny fifampiresahan’ny mpivady ihany arahin’ny fanankinana ny fiainana amin’Andriamanitra.
Pati
Legende : Efa maty tahaka izao ilay lehilahy vao nisy nahita !
 

Dans la même rubrique