airtel

Sosialy

03-nov-2021

Sosialy

Fiarahamonina Malagasy Miha manjaka ny fiolonolonana

Sample post image

Efa ela no nanairana ny sain’ny maro mikasika ity fitiavana maka sary fa tsy manana fahaterena hamonjy intsony ireo mpiara-monina aminy sendra tra-doza ity.

03-nov-2021

Na lozam-pifamoivoizana io na hain-trano, eny, tanety may mihitsy sy izay loza hafa mety mbola haha maro traboina lavitra noho ireny rehetra ireny aza dia ny mamoaka, mba tsy hilazana hoe mampidera, ireo finday raitra ananany avy amin’izao fotoana izao no lasa maha maika ny mpiara-belona. Miha manjaka amin’ny fiarahamonina Malagasy ankehitriny ny fiolonolonana, raha ny sary nanaitra ny maro tao anaty tambazotran-tserasera tao. Efa lasa mpanao gazety daholo rahateo tokoa angamba ny rehetra hatramin’izay nisian’itony tambazotran-tserasera itony izay, hoy ny vazivazy zaritenany mandeha, fa dia hita ho miha very hatrany aloha ilay hoe firaisankina sy fihavanana tsy mbola mety tafapetraka hatramin’izao ny tena izy aminy. Hita ho miha sarotra koa etsy ankilany ny asa miandry ireo tomponandraikitra sy mpanabe manoloana ny tranga toy itony saingy irariana hatrany moa mba tsy ho sanatria tara loatra ny fahatongavan-tsainan’ny tsirairay.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap