airtel

Sosialy

23-nov-2021

Sosialy

Fiarahamonina Maro ireo lasibatry ny olana ara-tokantrano

Sample post image

Maro ireo fianakaviana lasibatry ny olana ara-tokantrano tato ho ato, indrindra hatramin’ny nisian’ny valan’aretina Covid 19 teto amintsika.

23-nov-2021

 Ankoatra ny tsy fanomezan’ny lehilahy vola ny vadiny dia tsy vitsy ireo voakasi-tanana ihany koa na hiharan’ny herisetra maro isan-tsokajiny. Manoloana io tranga io dia fantatra fa mahatratra hatrany amin’ny 75 % ireo olona tonga mitaraina ao amin’ny ONG Mpiaro. Na izany aza anefa hoy ny tompon’andraikitra dia voalamin’izy ireo ao an-toerana avokoa ny olana rehetra ka ny 1 % sisa no tonga eny amin’ny tribonaly raha misy izany. Anisan’ireny ny tsy fanomezan’ny lehilahy vola ho an-janany tokony aloha izam-bolana na pension alimentaire. Nomarihin’ity ONG iray ity moa fa misy olona manao taratasy misoloky ny anarany amin’izao koa hanaovany antso avo amin’ny rehetra mba samy ho mailo.
Pati
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap