Lasa mitombo izaitsizy ireo zaza teraka tsy ampy volana noho izany. Raha nanodidina ny 100 teo ho eo izany tamin’ny taona 2017 raha araka ny fanadihadiana natao dia efa mananika ny 1000 isa tamin’ity taona 2022 madiva hifarana ity. Maro ny antony mahatonga izany hoy ny mpitsabo iray. Eo ny tsy fahampian-tsakafo mahazo ireny Reny mitondra vohoka, eo ihany koa ny tahotra hanatona tobim-pahasalamana rehefa mitondra vohoka fa manao dokotera tenany raha tsy latsa-danja amin’ireo ny fisotroana sy ny fihinanana tambavy fahatany. Mbola anisan’ny antony mahatonga izany ihany koa ny fanarahana ireo karazana fomban-drazana ho an’ireo mipetraka any amin’ny faritra…Mikasika ireo zaza otista indray dia nambaran’ity mpitsabo ity fa vao tato anatin’ny roa taona izao no hita sy fantatra ireo ankizy manana izany toe-tena izany eto amintsika izay tsy mitsaha-mitombo. Mbola antony maro ihany koa no mahatonga azy ireny hoy hatrany izy raha eo amin’ny faharoa taonan’ny zaza mihoatra vao tena hita ny maha-otista azy.
Pati
Legende : Mitombo isa hatrany ireo zaza teraka tsy ampy volana manerana ny Nosy (Sary fanehoana)
Mitombo ireo Renim-pianakaviana mamono sy manary ny zanany eto amintsika.