airtel

Sosialy

01-oct-2026

Fiarovana ny mpanjifa

sy ireo mpandraharaha

Sample post image

Avadika ho sakafom-biby ireo lafarinina simba

01-oct-2026

Ho fiarovana ny mpanjifa sy hampihenana izay mety ho fatiantoky ny mpandraharaha dia apetraka ny paikady sy ny fepetra mialoha hahafahana mamadika ny lafarinina simba ho sakafom-biby, araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra ny talata 29 septambra teo. Hitsangana ny komity teknika iraisan'ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana (MinCC) sy ny Minisiteran’ny Fiompiana hamaritra ny lamin'asa miainga amin’ny fakàna singa hotiliana, fandefasana izany any amin’ny laboratoara, ary ny fandefasana ombam-panaraha-maso ny lafarinina simba any amin’ny mpandraharaha hamadika azy ho sakafom-biby. Nomarihina manokana anefa fa ny lafarinina simba (avariée) tsy azon’olombelona hohanina intsony no ho ahodina homena ny biby fiompy. Ny lafarinina lany daty kosa dia tsy maintsy dorana avy hatrany. Nohazavainy fa antony samihafa no mety mahatonga ny lafarinina ho simba. Anisan’izany ny hamandoana vokatry ny fitaterana eny an-dranomasina na an-tanety, ny fomba fitehirizana izay mitarika hamandoana, na fivainganana na fahaverezana kalitao. Nambaran’ny Talen’ny Fiarovana ny mpanjifa (DPC) Yolandine Nambohoe Venon fa raha ny Minisiteran’ny Fiompiana no misafidy ny laboratoara anaovana ny fitiliana dia andraikitra lehibe sahanin’ny Minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana ny fanasokajiana ny lafarinina simba sy ny lafarinina mbola tsara. "Manena ny mety ho fantiantoka hahazo ireo mpandraharaha, izany hoe mety tsy hiverina manontolo ny volany fa mba hisy fihenana ny fatiantoka vokatry ny fahasimban'ny lafarinina", hoy Rtoa Nambohoe Venon. Eo anatrehan'ny hoe sao dia hankarary ny biby indray ilay lafarinina, dia nanazava io tompon'andraikitra io, fa efa laboratoara voafantina no hanao ny fitsirihana ka miankina amin'izany no hamaritana na mbola azo atao sakafom-biby na tsy maintsy potehina, izany hoe tsy misy ahiana ny fahasalaman'ny biby.
Toky R
 

Dans la même rubrique

01-oct-2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso sy ny

Card image cap
28-sept-2026

mpanjifa fiara sy moto vaovao

Card image cap
28-sept-2026

tetsy Andavamamba Anjezika

Card image cap