airtel

Sosialy

29-déc-2021

Sosialy

Fiarovana ny zon'ny mpanjifa Maro ny zavatra tokony ho fantatra

Sample post image

Samy manana ny anjara andraikitra tandrify azy eo amin'ny fiarovana ny zon'ny mpanjifa ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana (MICC), ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka

29-déc-2021

 amin'ny alalan'ny ACSQDA (Agence de Contrôle de la Sécurité Sanitaire et de la Qualité des Denrées Alimentaires), ny mpandraharaha ara-barotra rehetra ary koa ny mpanjifa. Misy noho izany ny fampahafantarana izany, ka ho an’ny MICC dia rafitra mahefa amin’ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa, manara-maso ny kalitao sy ny fenitr’ireo entana amidy eny an-tsena ary mandray ny fepetra rehetra ilaina (Fanagiazana ireo entana, fanasaziana ireo mpivarotra, fandorana ny entana). Miara-miasa akaiky amin’ny ACSQDA eo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamana izy ireo amin’ny fanatanterahana ny « contre-analyse » amin’ireo entana mampiahiahy. Misy ihany koa ny andraikitry ny mpivarotra amin’ny fiarovana ny zon’ny mpanjifa. Malalaka ny fandraharahana eto Madagasikara rehefa mahafeno ny fepetra takian’ny lalàna ny mpivarotra (patente, RCS,…) saingy tsy maintsy hajainy ny zon’ny mpanjifa. Tokony hanana « certificat de consommabilité » sy « autorisation de mise sur le marché » ny mpanafatra eentana sy ny mpamokatra eto an-toerana. Tokony hajaina ihany koa ny fenitra fitehirizan’entana mba tsy hanova ny kalitaon’ny ntana jifain’ny mpanjifa eny an-toerana. Manana andraikitra ihhany koa ny mpanjifa amin’ny fiarovana ny zony, ka lehibe indrindra ny fihetsika alohan’ny hanjifana : manjifa entana tsy atahorana hampidi-doza amin’ny fahasalamana (date d’expiration, étiquetage, qualité, sécurité, santé,…). Mila mijery tsara ny etiketin’ny zava-pihinana na fisotro efa voafono,… Afaka miantso ny laharana 034 30 818 34 na manantona ny varavaran’ny MICC laharana faha-107 rahana misy mampiahiahy, hoy ny toromarika.
Toky R
Sary fanehoana

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap
26-mars-2024

Tontosa omaly tetsy amin’ny foiben’ny NIM na «Nouvelle institution de microfinance»

Card image cap
26-mars-2024

Azo lazaina ho efa manomboka mipetraka ankehitriny ny fahatokisan’ny malagasy ny NIM na

Card image cap
26-mars-2024

Midangana fatratra toy ny eto an-drenivohitra ihany ny vidim-bary ao amin’ny tsenan’Ankazobe amin’izao fotoana izao.

Card image cap