amintsika omaly tetsy amin’ny kianjan’ny Kanto Mahamasina. Anisan’izany ry Christian kely tao amin’ny Pazzapa. Ireo ankizy mpikambana ao amin’ny PFSCE na ny Plateforme de la société civile pour l’enfance. Manodidina ny 1000 teo ho eo ireo ankizy tonga nanotrona sy naneho ny fahaiza-manaony tamin’izany ka nisy ireo nanao tantara antsangana, nisy ireo dihy, nisy ny nanao Slam. Nivoitra nandritra izany ny fitakian’izy ireo mikasika ny fampiharana ilay fifanarahana iraisam-pirenena nataon’i Madagasikara sonia momba ny fanajana ny zon’ny ankizy, 30 taona lasa izay. Hatreto mantsy hoy Raholiariseheno Nicole, mpandrindra nasionalin’ity vovonana ity dia mbola tsy hita taratra tsara mihitsy ny fampiharana izany. Manaporofo izany hoy izy ny fisian’ilay zazalahy kely vao 6 taona monja maty naolana tany Morondava izay mifanohitra tanteraka amin’ny fanajana ny zon’ny ankizy no sady fanaovana tsinontsinona ny zon’olombelona ihany koa. Manginy fotsiny hoy izy ny herisetra, ny fanajana ireo karazana soa toavina misy ka tsy maintsy hampandeferana hatrany ny ankizy manoloana ny baikon’ireo olobe…. Nankalazaina omaly alahady 20 novambra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny ankizy.
Pati
Legende : Raholiariseheno Nicole, mpampindra nasionalin’ny vovonana
Nidina ifotony, mifampitankosina mivantana amin'ny tantsaha mpiompy sy mpandraharaha