airtel

Sosialy

18-juil-2022

Sosialy

Fiatrehana ny fahavaratra Hampiasa drône ny BNGRC

Sample post image

Ao anatin'ny fiomanana sahady amin'ny fotoam-pahavaratra taona 2022-2023 isika eto Madagasikara amin'izao fotoana izao.

18-juil-2022

Mampitombo an'ireo fahaiza-manaony sy traikefany mba hahafahana miomana amin'ny fiatrehana izany ireo ekipa eto anivon'ny BNGRC sy ireo mpiara-miombon'antoka maro samihafa ahitana ny PAM, ny UNICEF Madagascar , ny UNFPA Madagascar , ny OCHA, ny CARE International Madagascar ary ny ACM. Tafiditra ao anatin’izany fiomanana izany ny fampitomboana ny traikefa izay efa hananan’ny ekipa amin'ny fanamoriana drône, izay hampiasaina amin'ny lafiny maro. Anisan’ireny ny fakana sary ireo toerana ahiana hitera-doza, ny fampihenana ny loza mety hitranga, ny fikarohana ireo olona tsy hita taorian'ny fandalovan'ny loza ary ny fitateran’entana izay tena ilaina maika anaty hamehana. Ny fanafody ohatra….Natao io fanamafisana ny fahaiza-manao io izay naharitra 5 andro mba hahafahana manatsara hatrany ny fomba hiatrehana ny loza. Tao ambonivohitr'Antsirabe moa no nanatanterahana izany raha natao tamin’io fotoana io ihany koa ny fanavaozana ny « Termes de référence » izay mifanaraka amin'izany.Ny tanjona moa dia ny mba hahatonga ireo mpanamory rehetra ho eo amin'ny sehatra matihanina ka hahay hamaritra sarintany mivelatra sy mazava kokoa amin'ny alalan'ny fampiasana drone. Ny tanjona manokana kosa ny hampisehoana ny vina, ny zavatra andrasana ary ny filan'ny mpikambana tsirairay ao anatin'ny SGD na ny Sous-groupe Drône.Ankoatra izay dia nampifanarahana ny paikadin'ny SGD amin'ny laharam-pahamehana ara-programa sy fampandehanan-draharahan'ny mpikambana rehetra ao anatiny.
Nangonin’i Pati
Legende : Nianatra namory drône tahaka izao avokoa ireo mpizaika

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap