airtel

Sosialy

07-janv-2021

Sosialy

Fiatrehana ny fiainana Miraviravy tanana ny ankamaroan’ny olona

Sample post image

Miraviravy tanana sy tsy mahita aleha intsony ny ankamaroan’ny olona amin’ny

07-janv-2021

 

 

fiatrehana ny fiainana andavanandro. Vao miandoha ny volana Janoary dia maro ireo vaky loha sy tsy mahita hatao intsony nefa tsy maintsy mihinana. Misy ireo niantehitra tamin’ny varotra saingy tsy mahita afa-tsy 3.000 Ar isan’andro intsony noho ny tsy fisian’ny tsena. Zaza 3 isam-pianakaviana anefa raha kely no velomina. Santionany amin’izany ireto Raim-pianakaviana tafaresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana ireto.

 

Andrianarijaona Hery : 27 taona ny nanaovana rafitra ity Raim-pianakaviana saingy tena kivy tanteraka. Tsy mahavelona ny ankohonany intsony mantsy izany asa izany noho ireo kojakoja tsy maintsy mbola ilaina toy ny fanofana masinina raha lasa olana ihany koa ny hazo eto amintsika. Ny vidim-bary eo an-daniny efa tafakatra 700 Ar ny iray kapoaka eny Ambatolampy Tsimahafotsy misy azy ka voatery nitady hevitra izy. Anisan’ny asa hataony ny hiverina amin’ny fambolena sy fiompiana hahafahany manatafita ireo zanany 3 mirahavavy. 

Ramiandrisoa : Mpivarotra mandehandeha indray ity Raim-pianakaviana iray ity. Niantoka lodisia no nataony teo aloha teo ary efa nivadika ho akondro indray izany. Na izany aza anefa dia tena tsapany tokoa fa tsy mahavelona ny fianakaviany ity asa iray ity. 3.000 Ar isan’andro mantsy raha betsaka ny vola azony tsy ampy hividianana vary in-telo mahandro isan’andro akory. Vonona ny hitodika any amin’ny fambolena sy ny fiompiana ihany koa araka izany ity farany hanabe voa ny tany. 

 

Pati

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap