airtel

Sosialy

22-févr-2024

FIATREHANA NY MAITSO AHITRA

Misy tahirim-bary 30.000 taonina nafarana ao Toamasina

Sample post image

Maherin'ny 30 000 taonina ny tahirim-bary nafarana ao Toamasina hiatrehana

22-févr-2024

ny maitso ahitra, raha araka ny vaovao azo. Ampy ny vary araka ny hita tany amin'ireo toeram-panatobian'entan'ny mpandraharaha ara-barotra ao Toamasina sy ny ao amin'ny seranan-tsambo. "Tsy misy tokony hampiahiahy ny mpanjifa satria milanja 25. 000 taonina ireo tahiry any amin'ny toeram-panatobian'entana ary 7000 taonina mahery ny any amin'ny seranan-tsambo", hoy ny Talem-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (DRICC) Belalahy Jean Berchmans afak’omaly Talata 20 Febroary. Fitsirihana ireo toeram-panatobian'entana maromaro ao Toamasina, notarihin'ny DRIC, no nisantaran'ny iraky ny Minisitra Edgard Razafindravahy avy aty amin'ny Minisitera foibe ny any an-toerana. Nambaran'ny Talen'ny Varotra Anatiny (DCI) Andriniaina Randriamiaramahefa fa ilaina ny fanafarana vary avy any ivelany amin'ny fotoanan'ny maitso ahitra satria tsy ampy ny vokatry ny tantsaha mpamboly eto an-toerana. Manaraka ny vidim-bary eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ny vidim-bary nafarana hita eny an-tsena. Raha 342 dolara ny iray taonina tamin'ny fiandohan'ny taona 2023 dia efa tafakatra 570 dolara izany amin'izao volana Febroary 2024 izao. Nitohy tamin'ny fampivoriana ireo mpanafatra entana ao Toamasina ireo tao amin'ny birao n'ny DRIC izany tamin’io afak’omaly io ihany. Ho fanohizana ny fihaonana tamin'izy ireo teto Antananarivo tamin’ny 07 Febroary teo ity fivoriana ity. Notsindriana mafy tamin'izany ny fiaraha-miasa akaiky eo amin'ny Minisitera sy ireo mpanafatra vary ary ny fanaraha-maso ataon'ny tompon'andraikitra eo anivon'ny faritra ho fiarovana ny mpanjifa. 136. 000 Ar ny vidin'ny vary 1 lasaka miala eny amin'ny mpanafatra entana amin'izao fotoana izao.
Pati
Legende : Tsy misy atahorana ny tahirim-bary ao Toamasina amin’izao !

 

Dans la même rubrique