ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina nandinika izay tokony hatao momba ny ranobe any an-toerana sy ho fisorohana izay mety mbola hisy eo. Tafatsangana nandritra izany ny komity manokana ary hiasa avy hatrany .Misy teknisiana maromaro ao anatiny raha araka ny loharanom-baovao azo. Anisany nantsoin'ny Ben’ny tanana handrafitra ity komity ilay raim-pianakaviana monina ao Ankirihiry naneho hevitra tamin’ny tambajotran-tserasera Facebook momba ny tsiambarantelon’ny ranobe ao Andranomadio, Mangarano ary Ambalamanasy . Inoana sy antenaiina araka izany fa hahitam-bokatra ny fitsanganan'ity komity ity izay hitady vahaolana momba ny ranobe ao Toamasina . Tsiahivina moa fa an-jatony ireo traboina vokatry ny ranobe tany an-toerana izay misy mbola tsy tafaverina any an-tokantranony ny sasany hatreto.
Pati
Legende : Ireto ilay mpikambana ao amin’ny komity manokana !
Nigadona tao Ambatondrazaka ny alarobia 12 febroary 2025 teo ny « Riz importé »