airtel

Sosialy

21-juil-2022

Sosialy

Fidangan'ny vidim-piainana Miankina amin-javatra maro, hoy dokotera Fidy

Sample post image

Nitondra fanazavana mikasika ny fiakaran'ny vidim-piainana ankehitriny dokotera Fidy Bariniaina izay marihina fa Ben'ny tanana no sady mpitandrina ihany koa.

21-juil-2022

Nambarany fa miankina amin-javatra maro izany. Boribory ny tany hoy izy. Ny olona mitombo, misy hatrany ny teraka. Ny tany anefa hoy izy mihatery hany ka mihavitsy ny zavatra ilaina. Miharipaka ny ala, miharitra ny sakafo, mihena ny tany azo volena, mitombo ny tahan'ny tsy an'asa,...Mamaritra izany ihany koa hoy izy ny lalanan'ny tolotra sy ny tinady izany hoy izy. Rehefa fararano ka mitobaka eny an-tsena ny vary dia mora ny vidiny. Rehefa maintso ahitra kosa dia vitsy ny vokatra miakatra hany ka midangana ho azy ny vidiny eny an-tsena. Rehefa mitombo ny isan'ny olona hoy hatrany izy dia mihena ny zavatra azo jifaina.
COVID-19
Misy fiantraikany amin'izao fidangan'ny vidim-piainana iainantsika izao ihany koa hoy izy ny fisian'ny valan'aretina Covid 19. Tamin'ny volana desambra taona 2019 hoy izy dia namono olona an'aliny isan'andro izany tany Eoropa. Ireo olon-dehibe tena niasa sy namokatra hoy izy no maro namoy ny ainy tamin'izany. Nisy ihany koa ilay fihibohana nampihena ny fivezivezena hoy hatrany dokotera Fidy ka tsy nahafahana namokatra hany ka nihena avokoa ireo kojakoja tokony hojifaina maneran-tany.
TOKONY HANDAMIN-TSAINA
Manampy trotraka izany hoy hatrany dokotera Fidy ny ady any Ukraine izay hifanandrinan'izy sy Rosia. Na izany aza hoy hatrany dokotera Fidy dia tokony samy hahay handamin-tsaina ny rehetra. Tokony hahay hisaotra amin'ny zavatra rehetra ny tsirairay hoy hatrany izy amin'ny alalan'ilay toe-tsaina mahay manaiky ny zava-misy. Lalana iray hahafahana mampionona ny fo mantsy izany hoy izy hahazoana fahasalamana ialana amin'ny tebiteby sy ny rarin-tsaina.
Pati
Legende : Dokotera Fidy Bariniaina !
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap