airtel

Sosialy

24-mars-2022

Sosialy

Fidangan’ny vidim-piainana Misitri-belona ireo minisitera hafa…

Sample post image

Tsy misy afa-tsy ny minisiteran’ny indostria sy ny varotra ary fanjifana hatreto no hita ho miseho rehefa miresaka ity fiakarana izay efa lasa fidanganan’ny vidim-piainana mihoam-pampana eto amin’ny firenena ity

24-mars-2022

hanazavana ny zava-misy. Ny talata 22 martsa teo iny izany izao ny minisitra, Edgard Razafindravahy, no nihaona tamin’ireo fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa ary hita ho toy ny manangasanga foana ao anatin’izany ny vahaolana toa lojika sy zary mahazatra tamin’ireo mpitantana ity minisitera ity hatramin’izay dia ny famehezana ny vidin-javatra eny an-tsena izay matetika fototry ny fifanolanana eo amin’ireo mpisehatry ny famokara sy ny varotra amin’ny fanjakana foibe satria isan’ny voalaza ho fototr’olona ankoatran’ny fiakaran’ny vidin-tsolika, ohatra, ny faharatsian-dalana. Aiza ny minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo hamaha izany? Aiza koa ny minisiteran’ny asa vaventy? Mikaikaika izao ny mpiasa fa tsy mifanaraka amin’io fidangan’ny vidim-piainana io intsony ny fidiram-bolan’izy ireo isam-bolana, indrindra, ho an’ireo sehatra tsy miankina. Aiza ny vahaolana entin’ny minisiteran’ny asa sy ny fampananan’asa? Inona izany no tena mba ataon’ilay hoe minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana? Misy ve ny politikan’ny famokarana mifanaraka ny toe-tany sy toetr’andro iainana amin’izao fotoana izao sy mifanaraka ihany koa amin’ny zava-misy hatrehana eto amin’ity firenena ity? Tena ny minisiteran’ny indostria sy ny varotra ary fanjifana irery tokoa ve no tokony hamaha ity olana goavana ity no toa tsy hita ireo minisitera hafa heverina fa tokony ho voakasika anatin’izany ihany koa? Natao ho tehirizina anaty boky fotsiny ve izany ny tokony ho fisian’ny atao hoe komity tekinika iraisan’ireo minisitera maro voakasikana toe-draharaha iray izay efa nampiharina hatramin’ny taona 2015 sy navaozin’izao fitondrana izao?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap