airtel

Sosialy

24-janv-2024

FIDANGAN’NY VIDIM-PIAINANA

Tafakatra 500 Ar ny voatabia iray ao Mahajanga

Sample post image

Toy ny eto an-drenivohitra ihany dia midangana izaitsizy ihany koa ny vidim-piainana

24-janv-2024

ao Mahajanga ao. Ireo legioma sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro no tena mampitaraina fatratra ny mponina. Ho an’ny voatabia ohatra dia tafakatra 500 Ar ny singany iray. Efa mihoatra ny 3.000 Ar ihany koa ny iray kilao amin’ny ovy raha tsy mahazo anana intsony 300 Ar. Lasa 500 Ar ny fehezany kely hatao rony ka tsy ampy ho an’ny olona 3 mianaka marain-tsy hariva intsony raha tsy anana 2.000 Ar. Saika nahitana fiakaram-bidy avokoa ireo legioma rehetra tonga any an-toerana toy ny karaoty, ny arikaovera, raha tsy tazana eny an-tsena intsony ny kotomila sy ny tongolo maitso. Izay manam-bola ihany sisa no afaka mihinana legioma noho izany ao Mahajanga ao. Na izany aza mbola misy vary 900 Ar kosa ny iray kapoaka any an-toerana, vary avy any amin’ny Faritra Betsiboka. Ny menaka no efa mananika ny 10.000 Ar ny iray litatra anaty tavoahangy. Nahitana fiakarany 50 ka hatramin’ny 100 Ar isanisany ihany koa ny savony….Mangataka ny hijeren’ny tompon’andraikitra akaiky izao fidangan’ny vidim-piainana ao Mahajanga izao ireo mponina any an-toerana.
Nangonin’i Pati
Legende : Mamay ny vidina voatabia ao Mahajanga ao !

 

Dans la même rubrique