ireo tokantrano malagasy efa mizatra tsy mihinam-bary intsony, izany hoe, manolo ny vary amina sakafo mbola zakan’ny fidiram-bolany nefa ahitana otrikaina mahasolo ny fihinanam-bary, raha ny fanadihadiana tamina tokantrano vitsivitsy eto an-drenivohitra. Amin’ny ankapobeny moa dia efa tafakatra 4000 Ariary izao ny kilaon’ny vary eny an-tsena. Ho tanteraka ihany ilay nambaran’ny filoham-pirenena hoe vary iray kilao ho an’olona miisa 5, hoy ny vazivazy zaritenany. Isan’ireo sakafo ahitàna otrikaina hafa no sady mahavoky, ohatra, raha ny fanazavàna, ireo mifototra amin’ny hanin-kotrana toy ny ovy sy voamanga. Eo ihany koa ireo karazana legioma sy voankazo somary matavy tahaka ny zavokà. Tena efa miha tsy zaka ny fidangan’ny vidim-piainana ankehitriny ka aleo mitady vahaolana hafa, raha mbola azo atao, hoy hatrany ireo fanehoan-kevitra.
Nangonin’i J. Mirija
Nisakafo tamina toerana fisakafoanana iray teo Mahamasina, toerana malaza be izay,
Miitatra ny loza mahatsiravina ateraky ny sakafo tratry ny fahapoizinana. Tao anatin’ny 10 andro,
Nizara fanomezana ho an’ireo olona tsy manan-kialofana eny an-dalambe ny