airtel

Sosialy

15-mars-2021

Sosialy

Fidangan’ny vidin’ny PPN Haka ny hevitry ny olona ny mpiaro ny Zon’ny mpanjifa

Sample post image

Marihina isan-taona isaky ny 15 martsa ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny mpanjifa.

15-mars-2021

 

 

 

 Hiseho amin’ny endrika marolafy ny fankalazana anio. Manomana hetsika ny Ministeran’ny indostria sy ny varotra ary ny asatanana miaraka amin’ireo mpiara-misalahy aminy. Hanana ny azy koa ireo fikambanana mpiaro ny Zon’ny mpanjifa. Ho an’ny Hetsiky ny Olom-pirenena miady amin’ny fisondrotry ny vidim-piainana na MCI, tarihin-dRazafindralambo Lalaina, dia hiazara roa ny asa anio. Ny tapany voalohany dia hatokany hanaovana fanabeazana ny mpanjifa sy hanomezana torolalana ary hampahafantarana azy ny zony. Aorian’izay dia hidina eny Ambodinisotry, Boriborintany voalohany izy ireo hanontany ny hevitry ny mpanjifa ny tokony hatao na koa ny vahaolana manoloana ny fizirizirin’ny vidin’ny entana ilaina andavanandro indrindra ny vary sy menaka. Nisy fiantraikany amin’ny vidim-bary teny an-tsena ve ny filazana nataon’ny ministera ny hamerana ho 500 Ariary ny iray kapoaka, toy izany koa ny menaka, hoy ny MCI fa raha ny hita dia mbola manodidina ny 3000 Ariary ny kilaon’ny vady gasy ho an’ny mpanjifa.

Jean D.

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap