airtel

Sosialy

05-mai-2023

Sosialy

Fidiram-bolan’ny Malagasy Nitotongana 45% nanomboka ny 1960

Sample post image

Nihena hatrany amin’ny 45% ny tahan’ny fidiram-bolan’ny Malagasy teo anelanelan’ny 1960 hatramin’ny 2020,

05-mai-2023

raha ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena. Io no vokatry ny tontolo feno fifandonana mahery vaika tamin’ny endriny samihafa. Raha ny nambaran’ny Solontenan’ny Banky Iraisam-pirenena eto Rtoa Marie Chantal Uwanyiligira, dia nisy ihany ny fivoarana kely tao anatin’ny vanim-potoana nifandraika tamin’ny fitoniana sy ny faharinan-toeran’ny firenena, saingy voafafan’ny krizy maro nifanesy, indrindra indrindra ny krizy politika fa eo ihany koa ny krizy ara-toetr’andro, ary vao tsy ela ny krizy ara-pahasalamana. Na teo aza ny fiverenana ara-toekarena noheverina fa hahavelom-bola taorian’ny krizy farany ny 2009-2013, dia tsy nihoatra ny 0% mahery kely teo tahan’ny fiakaran’ny harin-karena faobe na PIB isam-batan’olona isan-taona, raha toa ka nitombo hatrany ny olona tahan’ny olona voasokajy ao anatin’ny mahantra fadiranovana satria raha 72,5% izany taona 2012, dia 75,2% ny 2022, ary amin’izao aza moa, raha ny antontan’isa efa nivoaka teo aloha teo, dia efa any amin’ny 81%. Tsy I Madagasikara no sarotra ampandrosoana fa ny finiavana politika no tsy ampy, miharihary ny tsy fahaiza-mitantana, manjaka ny kolikoly, potehina noho ny kajikajy politika ny toekarena, lavitry ny fitiavan-tanindrazana ny mpitantana, habadoina sy terena an-kolaka hanaiky ny Malagasy fa izao no mety, tsy mifanaraka amin’ny filàn’ny firenena ny fampianarana sy fanabeazana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap