aty aorian’ny nivoahany
Notanterahana teny amin’ny Hotely Ibis Akorondrano omaly 05 novambra 2026 ny atrikasa fampahafantarana ny didim-panjakana 2026-1986 entina hampiharana ny lalàna mifehy ny fifaninana nivoaka ny 2018-20. Manazava bebe kokoa ny voalazan’ny lalàna velona mifehy ny varotra sy fanjifana io. Manamafy ny Minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana, fa fehezin'ny tolotra sy ny tinady ny tsena, saingy misy ny lalàna, izay mamaritra ny fifaninanana, fa tsy adin'ny matanjaka na adin'ny besandry. Isan’ny voafaritra ny tokony hametrahana mazava ny vidin’entana. Voarara ny fanitrihana entana, toy ny fisiana mpandraharaha manitrika entana toy ny vary, lafarina,… rehefa maitso ahitra. Tsy azo atao, ary ho mafy ny sazy ho an’izay tratra. Tsy maintsy mampiasa faktiora ahafahan’ny Minisitera manara-maso ny « transaction » na ny vola miodina ao anatiny. Ny varotra misy amin’ny tsena anatiny no tena voafaritra an’io, fa ny fanondranana dia misy ny lalàna mifehy azy toy ny makany amin’ny tsenan’ny COMESA na ny AGOA ohatra. « Tsy afaka nampiharina tao anatin’ny 9 taona noho ny tsy fisiana didim-panjakana, izay taty amin’ny aogositra 2026 vao nisy, izay isaorana ny Filoha sy ny Praiminisitra nankatoa azy. Maneho ny fahavononan’ny Fanjakana hametraka ny mangarahara », hoy ny Minisitry ny varotra sy ny fanjifana Rtoa Haingo Tiana Andriamadison. Tonga maro ireo mpandraharaha izay nambarany fa midika fahavononana. Notsiphiny, fa tsy hanao tombo sy hala ho an’ireo mpandraharaha ny Minisitera, fa hitovy tantana daholo. « Ilaina ny fifaninanana izay voalohany hahafahana miaro ny mpanjifa. Rehefa misy ny fifaninanana dia miezaka ny mpandraharaha manome tolotra tsara kokoa ho an’ny mpanjifa, ary rehefa misy ny fifaninanana dia betsaka ny tolotra misy eny an-tsena. », hoy ny Minisitra Haingo Tiana Andriamadison. Matetika resahana foana ny hoe sazy, saingy mipetraka ho mpiara-mientan’antoka ny Minisitera fa kosa hamafisina fa tsy hananan-kavana ny resaka famarotana entana lany daty, hoy hatrany io Minisitra io. Apetraka ny fiaraha-mientana amin’ireo mpandraharaha amin’mpanafatra entana, mpamongady, mpanondrana. Nanotrana ny fotoana omaly moa ireo depiote anatin’ny Vaomieran’ny varotra sy fanjifana eo anivon’ny antenimierampirenena.
Toky R