airtel

Sosialy

04-nov-2021

Sosialy

Fifanolanana ara-tany etsy Nanisana Milaza hanao hetsi-pitakiana ireo vahoaka

Sample post image

Manomana hetsika ho fitakiana ny fanatanterahana ny fampanantenana nataon’ny mpitondra taminy ny vahoaka voakasiky ny olana ara-tany amin’ny Minisiteran’ny fambolena ao etsy Nanisana Boriborintany faha-5.

04-nov-2021

 Nampifoha azy ireo mantsy ny fahazoan’ny mponina nanana olana ara-tany tamin’ny oniversite, izay nahazo kara-tany teny amin’ny boriborintany faha-2, andro vitsy lasa izay. Miantso fanampiana avy amin’ny Minisitry ny fanajariana ny tany, Hajo Andrianainarivelo, ny mponina etsy Nanisana hanampy azy ireo amin’ny fifampiraharahana hahazoany zo amin’ireo faritra ambaran’izy ireo efa nomaintisiny molaly an-taonany maro. “Hatramin’izao mantsy, tsy tanteraka ny fampanantenana fikarakarana nataon’ny CST iray avy ety aminay tamin’ny fotoan’ny fitondrana tetezamita rehefa lasa Filohan’ny vaomieran’ny fananan-tany ao amin’ny Antenimieram-pirenena izy ankehitriny”, hoy ny solontenam-pokonolona. Notsiahivin’ireo fianakaviana an’arivony voakasik’izao raharaha izao fa efa nisy narodana na nofefena tsy ho azo idirana intsony ny tranon’izy ireo, tao anatin’izany anefa, tsy nihetsika akory io manam-pahefana nampanantena fiarovana io fa toa nivarotra vava hahazoana ny vatony tamin’ny fifidianana fotsiny , hoy ny fanamarihana. « Mitovy amin’ny anay ny teny amin’ny boriborintany faha-2 izay tanin’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony nefa voakarakaran’ny depiote teny an-toerana sy ny minisitra Hajo Andrianainarivelo ihany », hoy izy ireo. Nambaran’ny mpanolontsaina ara-teknika ao anivon’ny FIKRIFAM, fikambanana ivondronan’ireo manana io olana ara-tany io, fa fositra mampikorosy fahana ny fari-piainan’izy ireo ankehitriny ity tsy fahamarinan-toerana amin’ny toeram-ponenana ity ka iantsoana vahaolana maika mba tsy hisian’ny mizana tsindrian’ila... Heeverin’ireto olona ireto ho lasa didy fakan-tahaka na « jurisprudence » ny zava-niseho teny Ambohipo, ka dia io fa manambana hihetsika ireto mponina etsy Nanisana. Marihina kosa anefa fa nanomboka ny 2009 nisian’ny fanonganam-panjakana no nanomboka no tena nandeha ny famaritana tany samihafa, ary toa nosokajiana ho mety izany satria nisy tombotsoa politika angamba, ka niorim-paka ireo olona, saingy mifoha ny fifandirana ankehitriny.
Toky R

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap