airtel

Sosialy

15-juil-2022

Sosialy

Fifehezana ny vidin-javatra Miharihary fa ilaina ny tahaka ny Magro

Sample post image

Miharirahary ankehitriny ny fidangan’ny vidim-piainana ary mila hitadiavam-bahoalana maharitra sy mahomby. Tsy manana paikady tsara rindra hiatrehana an’izany afatsy ny filalaovana serasera ny Fanjakana.

15-juil-2022

Tsy finiavana hamendrofendro na hamoa fota-mandry fa ny zava-misy ankehitriny dia maneho fa tena mahomby ary ilaina ny fisian’ny Magro tahaka ny tamin’ny andron’i Marc Ravalomanana. Nahafahana nametraka fifandanjan-kery ara-pandraharahana sy ara-toekarena teo amin’ireo mpandraharaha karana mpanao ampihimamba tamin’ny lafiny maro tahaka ny resaka vary, menaka,… Afaka nametraka fahamarinan-toerana na « stabilité » tamin’ny resaka vidin-javatra satria ambany aza ny vidin’entan’ny Magro, saingy nolevonina nandritra ny fanonganam-panjakana. Nanangana ny SPM (State Procurement of Madagascar) ny Fanjakana Rajoelina ny volana novambra 2019, saingy hita taratra ihany ny fetrany, tsy nahomby loatra. Politika mitovitovy amin’ny tamin’ny Magro izay nopotehina ihany no natao tamin’io fa izy miankina amin’ny fanjakana fotsiny, ka lalantsaina amin’izany ny fanafarana mivantana ireo entana ilaina andavanandro, ny solika,… mba hialana amin’ny fakana tombony mihoampampana. Toa voafetra ihany anefa satria tsy manam-bola ny Fanjakana sady mbola bokan-trosa ihany koa. Na nisy aza ny fanafarana vary izay namidy mora, tsy azon’ny rehetra nositrahana. Voafetra ny tsena mora, tsy mahasehaka ny filan’ny vahoaka, entana any amin’ny karana no ampiasaina, tany amin’ny pimaso politika nampiasana ny loko volomboasary no nampiasana azy. Azo antoka ny hanaovana fitaovana azy any amin’ny fifidianana. Nahongana i Marc Ravalomanana, nopotehina ny fananany, notondroina ho nanao ampihimamba, nolazaina fa hitsofohany ny seha-pihariana maro,… Nodorana ny Tiko sy Magro isan’ireo orinasa afaka nametraka fifandanjan-kery amin’ny vahiny, malagasy an’aliny very asa,... Niroso isika ankehitriny sa nihemotra? Tsy misy intsony ve ny ampihimamba? Iza no mifehy ny toekarena sy ny tsena ankehitriny? Tsy famohazana fota-mandry, fa kosa fampisaintsainana mba hakana lesona amin’ny ho avy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap