airtel

Sosialy

01-févr-2021

Sosialy

Fifindra-monina An’arivony no tonga any Ambilobe

Sample post image

Mpifindra monina an'arivony no efa tonga any Ambilobe amin’izao fotoana izao,

01-févr-2021

 

 

ka namory azy ireo ny tompon'andrikim-panjakana any an-toerana, nanazavana ny fombafomban-tany, ny fiaraha-monina any avaratra,... Voalaza fa tsy misy lamina mazava sy tena maty paika aloha hatreto azo naroso amin'ny fandraisana ireto azy ireo, izay tena mihamaro hatrany. Ny tsapa dia olona manana ny fombany izy ireo ary dia mitazona tokoa izay fomba fiainany izay. Misy anefa ireo tompon-tany no hafa fandray izany fihetsika izany, ary misy aza ny mihevitra andreo toy ny malaso, ka mandray fepetra mifanaraka amin'izany. Tsy lavitra an'i Ambilobe ny toeram-pitrandrahana volamena ao Daraina sy Betsiaka, izay malaza feno volamena sy vato sarobidy. 56 000 ny isan'ny mponina ao Ambilobe amin’izao fotoana izao, hoy ny fampahalalam-baovao iray. Mila alamina sy arindra ny fiarahamonina mba hisorohana ny fifandirana. Isan'ny betsaka olona mandao ny toeram-ponenany moa ny any Atsimo noho ny Kere, ary efa maro no niely nanerana ny Nosy.

 Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap