airtel

Sosialy

18-févr-2022

Sosialy

Fihazakazahana maka vatsy tsinjo Nahitana taratra ny fahasahiranam-bahoaka

Sample post image

Tena sahirana ny vahoaka Malagasy. Raha vantany vao nahare fanomezana kely na avy amin’ny fanjakana na tsia dia samy mihazakazaka mamono tena avokoa sitrany ahay mahita indray mandeha mandrotsaka.

18-févr-2022

Hita taratra izany nandritra ny fizarana ilay Vatsy Tsinjo ho an’ny Boriborintany I sy ny Boriborintany faha-efatra izay efa nanomboka afak’omaly Alarobia. Ho an’ny Boriborintany I dia tokantrano manodidina ny 1.440 no nisitraka izany avy amin’ny Fokotany Andranomanalina centre, Bekiraro, Antaniavo, 67Ha centre Ouest. . Ho an'Antananarivo IV kosa dia miisa 1611 ireo tokantrano nahazo fanampiana ka ny fokontany Ambohibary sy Ankaditoho Maroroho no efa nahazo izany fanampiana izany. Ahitana vary 25 kg, voamaina, menaka soja 1 litatra , sardines 02, savony, sira, koba aina, ary ronono amin'ny boaty io fanampiana io. Ireo manana ilay karinem-pokontany misy QR code ihany moa no mahazo izany hahafahana mandrindra ny fitsinjarana ireo fanampiana ireo. Na dia teo aza moa ity fanampiana ity dia mbola olan’ny isan-tokantrano indray koa ny nanangona volakely nanakarama posy nitondra azy noho ny harerahana amin’ny fitadiavana sy ny fitotoana isan’andro ka tsy hananana vovok’aina intsony.
Pati

Legende : Nololoavina tahaka izao ny an’ireo tsy nahita saran-dalana ho an’ny posy
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap