airtel

Sosialy

02-juin-2022

Sosialy

Fihinanana sakafo vita amin’ny ronono 7 kg isan-taona isan’olona monja ny eto Madagasikara

Sample post image

Mbola tena ambany ny tahan’ny fihinanana ireo sakafo vita amin’ny ronono eto Madagasikara. 7 Kg isan-taona isan’olona mantsy izany raha tsy mahatratra 1 litatra isan’olona isam-bolana ihany koa ny fisotroan-dronono,

02-juin-2022

sakafo feno izay nomarihin’ny mpitsabo fa mitondra vitamina A betsaka ho an’ny vatana indrindra fa ho an’ireo zaza latsaky ny 5 taona sy ireo vehivavy bevohoka. Mba ho fampitomboana io tahan’ny fanjifan’ny tsirairay ronono eto Madagasikara io dia nisy ny hetsika notanterahin’ny MDB tany Antsirabe omaly, hetsika izay tafiditra indrindra ao anatin’ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny fisotroan-dronono. Tanjona tamin’ny hetsika raha araka ny fanazavana azo dia ho fampandraisana anjara ny lalam-pihariana ronono ao anatin’ny fampandrosoana mba hahafahana miditra ao anatin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo iadiana amin’ny tsy fahampian-tsakafo no sady hahafahana miady amin’ny fahantrana ihany koa. Notanterahina tao Antsirabe omaly ihany koa ny fanasoniavana ny satan’ny ronono. Tsiahivina moa fa tamin’ny taona 2001 no nomarihina voalohany teto amintsika ny andro manerantany ho an’ny ronono, hetsika hiarahana amin’ny fikambanana iraisam-pirenena misahana ny sakafo na ny FAO. Mahatratra 2.400 Ar moa ny iray litatra amin’ny ronono amin’izao eny an-tsena izay tsy zakan’ny olona ihany koa ny vidiny amin’ny ankapobeny noho ny hasarotan’ny fiainana. Mbola 120.000 litatra isan-taona moa ny vokatra ronono eo Madagasikara amin’izao raha 46 tapitrisa litatra ny filana raha oharina amin’ny isan’ny mponina.

Nangonin’i Pati
Legende : Tsy mahamaika ny olona ny fisotroan-dronono noho ny halafosan’ny vidiny
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap