airtel

Sosialy

14-sept-2022

Sosialy

Fihinanana trondro efa simba Olona 06 indray no naiditra hopitaly ao Toliara

Sample post image

Ilana fanaraha-maso akaiky ireo trondro simba na efa maty hita na miparitaka etsy sy eroa indrindra fa ho an’ireo olona monina manakaiky ny sisin-dranomasina.

14-sept-2022

Raha araka ny vaovao azo mantsy dia olona miisa 6 be izao indray no naiditra hopitaly ao amin’ny CHU Tanambao Toliara efa roa andro izao vokatry ny fihinanana trondro efa simba. Tovovavy iray mipetraka ao Mahavatse II no tsy nahazaka ilay aretin-kibo mandoa sy mivalana ary ilay hafananabe nahazo azy ka fantatra fa namoy ny ainy tsy fidiny. Efa nalefa nody kosa ny 4 ambiny raha mbola tazonina ao amin’ny hopitaly ny iray hatramin’ny omaly nahazoanay ny vaovao. Tsiahivina moa fa tena mahafaty ny fihinanana sakafo efa simba fa tsy ny trondro ihany hoy ny mpitsabo ka tokony hitandrina ny tsirairay indrindra fa ireo manan-janaka madinika.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap