tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 26 Mai 2023

airtel

Sosialy

Fikambanana ADFM Mijoro hanatsara ny toe-karena sy ny sosialin’ny mponina

Fikambanam-behivavy niompana tamin’ny fampiroboroboana ny asa tanana sy ny sosialy ary ny fambolena ny ADFM teny am-piandohana na ny Association pour les développement des femmes a Madagascar.

25-mai-2023

Sample post image

Taty aoriana anefa dia tonga nanatevina izany ihany koa ny Raim-pianakaviana sy ny tanora noho ny fahatsapana fa tsy natao ho an’ny vehivavy irery ny asa fampandrosoana no tanjona mampandroso miaraka no tena tanjona ka niova ho Association pour les develloppement des familles Malagasy ny anaran’ny fikambanana. Na dia mbola eo am-pikarakarana ny taratasy hijoroany amim-pomba ofisialy aza izy ireo noho izany dia efa nanao hetsika sahady tamin’ny datin’ny 08 martsa lasa teo, izay nankalazana ny andro manerantany ho an’ny vehivavy ihany koa. Fambolena sakafo tao amin’ireo sekoly ambaratonga fototra roa teto an-drenivohitra no notanterahiny dia ny tao amin’ny EPP Analakely sy EPP Ankadifotsy izay niarahany tamin’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy antoko Fanorolahy izay mpiahy ny fikambanana. Mbola maro ny tanjona lavitr’ezaka hotratrarin’izy ireo raha araka ny fantatra raha mbola santatra am-bava rano ihany ny asa vita hatreto. Anisan’ireny ny fampiroboroboana ny fambolena eny anivon’ny tontolo ambanivohitra, ny fampianarana sy fanofanana ny tantsaha hampiasa teknika manaraka ny toetr’andro amin’ny fambolena sy ny zezika biolojika. Tsy latsa-danja amin’izany ny fananganana foto-drafitrasa hahazoana rano fisotro madio, ny fidiovana manara-penitra….Tsy manao politika moa ny fikambanana saingy miara-miasa amin’ny rehetra kosa. Mandroso miaraka mantsy no tanjon’izy ireo.
Pati
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fanenana karama farany ambany ho 238.000 Ariary
25-mai-2023

Ireo nitazona 250.000 Ariary indray no voasazy»

Card image cap
Randrana sendikaly «Efa mieritreritra hiverina ho mpandraharaha ve ny filoha?»
25-mai-2023

Rehefa navoakan’ny filankevitry ny minisitra ny hoe 238.000 Ariary aloha ny karama farany ambany dia tadidio fa tsy mbola didy fampiharana iny fa fitanana an-tsoratra, hoy ny Randrana sendikaly.

Voir plus