airtel

Sosialy

28-nov-2022

Sosialy

Fikambanana Alluma “Tsy maintsy miezaka amin’ny sosialy lafiny ny fitondrana”

Sample post image

Mahita ny fikambanana Alluma na “Association lumière de lune de Madagascar” fa misy ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana hampandrosoana ny firenena, hoy ny filohany, Ali Peter.

28-nov-2022

Ao anatin’izany ny fanamboarana lalana, sekoly, CSB II, ny fijerena ny mponina any amin’ny faritra ianjadian’ny kere, fijerena ny mponina any amin’ny faritra tsy misy rano, hoy izy. Azo tsapain-tanana izany ezaka izany fa misy kosa ezaka tokony hifantoka bebe kokoa amin’ny lafiny sosialy mba hilaminan’ny fiainam-bahoaka. Na teo aza ny valanaretina dia vita ihany ilay voatanisa teo saingy iny valan’aretina iny no tena nanakantsakana be fampandrosoana ny sosialim-bahoaka. Tsy maintsy miezaka ny fitondrana amin’iny lafiny mba hipaka bebe kokoa amin’ny fiainam-bahoaka ilay fampandrosoana. Sarotra ny ahafahan’izany delestazy izany raha tsy ny fanamboarana ireo milina sy fidirantsika amin’ny fampiasana angovo avy amin’ny herin’ny masoandro no imasoana. Mila mametraka angovo azo avaozina isika. Manomboka midina ifotony, ivelan’ny faritra, mitety distrika izao ny Alluma hametraka ny rantsa-mangaikany. Tanjona ny hitondra fahazavana ho an’ny firenena ary hitombo amin’io taona ho avy io ny fiaraha-miasanay amin’ny minisitera hampitomboana ny isan’ny ankizy miditra an-tsekoly, hoy hatrany ny Alluma.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny Alluma
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap
26-mars-2024

Tontosa omaly tetsy amin’ny foiben’ny NIM na «Nouvelle institution de microfinance»

Card image cap
26-mars-2024

Azo lazaina ho efa manomboka mipetraka ankehitriny ny fahatokisan’ny malagasy ny NIM na

Card image cap
26-mars-2024

Midangana fatratra toy ny eto an-drenivohitra ihany ny vidim-bary ao amin’ny tsenan’Ankazobe amin’izao fotoana izao.

Card image cap