airtel

Sosialy

24-févr-2022

Sosialy

Fikambanana Donnons Nous La Main Nanampy ny zaza kambotin’ny zandary

Sample post image

Manampy hatrany ireo fikambanana miahy zaza kamboty sy ireo fianakaviana sahirana amin’ny alalan’ny asa sosialy ny fikambanana Donnons Nous La Main, izay tarihan-dRamatoa Samirah.

24-févr-2022

 Ny Akany fitaizàna ireo zaza kamboty navelan’ireo zandary maty amperin’asa tany Arivonimamo faritra Itasy indray, no notoloranan’ny fikambanana Donnons Nous La Main kilalao toy ny jeux de société, taorian’ny tao amin’ny Akany Avoko teny Ambohidratrimo. Nisy ihany koa ny fanolorana vary, menaka, savony, klin, voamaina, siramamy ary lafarinina. Tao anatin'izany ihany koa no nanolorana latabatra sy seza ho an'ity akany ity ity, mba ho fanampiana ny fitaovana hampiasain’ny akany. Velom-pisaorana ny fikambanana Donnons Nous La Main ny tompon’andraikitry ny Zandarimariam-pirenena tao an-toerana, raha nandray ny fanomezana avy amin’ity fikambanana ity mpanao asa soa ity. Mbola hitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta ary hijery ny fikambanana tratry ny fahasahiranana ankehitriny ihany koa ny fikambanana mpanao asa soa tarihiny, hoy Rtoa Samirah.
 

Dans la même rubrique