airtel

Sosialy

28-sept-2026

FIKAMBANANA FANJIRY

Nanadio lakan-drano

Sample post image

tetsy Andavamamba Anjezika

28-sept-2026

Nanatanteraka asa fanadiovana lakan-drano vaventy ny fikambanana Fanjiry, tarihin-dRtoa Elisa Randrianirina, Filoha Nasionaly sady Mpanorina ny fikambanana. Ny Mpandrindra Nasionalin’ny fikambanana, Pr. Olga RAMIALINJANAHARY no nitarika ny hetsika ary nanome toromarika ny hanohizana izany asa fanadiovana izany tamin’ireo Fokontany sy ny mponina nahazo tombontsoa mba tsy hihaina anaty loto intsony ny vahoaka, indrindra amin’izao ankatoky ny fotoam-pahavaratra izao. Ao anatin’ny Fanavaozana daholo izany fanovana toe-tsaina izany hoy izy. Nandray anjara tamin’ny fanentanana ihany koa Razafimandimby Rija Ethel Niaina, Mpandrindra an’Antananarivo ao amin’ny fikambanana Fanjiry no sady filoha nasionalin’ny antoko Isika Mpandresy, izay nampifandray ny fahadiovana amin’ny fahasalamam-bahoaka. Mponina miisa 3.000 tao amin’ny Fokontany Andavamamba Anjezika sy Manarintsoa Atsinanana no nisitraka izany asa izany ny faran’ny herinandro teo. Asa valy tanana no natao tamin’izy ireo tamin’izany ka vary milanja 5kg sy vola 20.000ar ary fitaovam-pianarana no nomena ny isam-batan’olona. Tanjona ny hanamaivanana ny fahasahiranan’ny isam-baravarana indrindra amin’izao fidiran’ny mpianatra izao. Ny Hetsika toa izao moa dia ho fanentanana ny rehetra ho tompon’andraikitra amin’ny manodidina azy ary mba hiara-mientana foana amin’ny fanadiovana ny tanana.
Nangonin’i Pati
Legende : Tazana manohana ny asa sosialy hataon’ny vadin’ny Filoha hatrany ny Filohan’ny antoko isika mpandresy!
 

Dans la même rubrique

28-sept-2026

mpanjifa fiara sy moto vaovao

Card image cap
24-sept-2026

Tsy misy mpividy, velon-taraina ireo mpivarotra

Card image cap
24-sept-2026

Nahazo "guichet automatique"

Card image cap