airtel

Sosialy

27-févr-2023

Sosialy

Fikambanana Leo Fahantrana Miala nenina farany amin’ireo mpanao politika notohanany

Sample post image

Efa mihoatra ny 1.000 ireo mpikambana eo anivon’ny Fikambanana Leo Fahantrana na ny FILEFA eto Antananarivo renivohitra amin’izao tarihin’ny filoha nasionaly Razafindrakoto Jackye.

27-févr-2023

Vahoaka sahirana avokoa ny ankamaroan’izy ireo miady izay ho anjara masoandrony ary manam-pikasana ny hametraka mpitondra tena mahavita azy fa tsy hanao fitaovana politika ny vahoaka fotsiny. Ho azy ireo manokana mantsy dia anisan’ny tena nanohana fatratra ny fitondrana mijoro amin’izao izy. Ny tena mampalahelo anefa raha araka ny fanazavan’ny filoha nasionaliny dia toy ny tsy misy Reny na Ray mpiahy izy ireo rehefa misy hetsika hataony. Ny fikambanana sasany anefa dia tohanan’ny Fitondram-panjakana hatrany ka mahazo hatramin’ny omby sy ny vary mihitsy mba hataony sakafo. Fotoana tokony hanitsian’ny filoha ny diany izao hoy hatrany ny filoha nasionalin’ny FILEFA. Tsy tokony hisy fanavakavahana hoy izy na fijerena tavan’olona ny fanampiana sy fanohanana fa rehefa namana dia namana. Tsiahivina moa fa tsy ny FILEFA ihany no mahatsiaro ho voahilika tahaka izao. Marobe ireo lasibatra sy nandrenesana fitarainana izay nanohana ny fitondrana misy ankehitriny nefa toa tsy hitan’izy ireo akory rehefa tonga eo amin’ny toerana tadiaviny izy. Mbola miala nenina fatratra amin’ireo mpanao politika tohanany araka izany ny FILEFA. Raha tsy misy fijerena kosa anefa izy ireo dia nanambara Razafindrakoto Jackye fa afaka adidy amin’ny fatana izy satria nandoro kitay tsy nirehitra. Ho an’ny filoha manokana dia fantatra fa efa nandefa taratasy fangatahana fihaonana mivantana aminy ny fikambanana koa andrasana izay mety ho tohiny. Tsy mitsaha-mitombo moa ireo olona manaraka ny fikambanana amin’izao izay marihina fa mbola manofa trano avokoa. Tany mirefy 28 eny Avaradrano eny hatreto no efa azon’ny fikambanana avy amin’ny malala-tanana raha 7 ha teo aloha hozaraina ho an’ireo mpikambana ireo mba hahafahany manangana tranokely tsirairay avy.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’ireo mpikambana tetsy amin’ny EPP III G Hangar tamin’ny faran’ny herinandro teo
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap