Fara Ratsisetraina na Ratsisetraina Ollie Ollie, izay fikambanana mpanao asa soa. Tanjona, hoy izy, ny mba hahatonga izany ho tamberin’andraikitra amin’ny vahoaka sy ny firenena. Hitarika fa tsy ho tarihina intsony ary hanome fa tsy omena intsony. Indraindray anefa ny fanampiana manimba ny sain’ny olona mahazo azy ihany satria lasa miandry tolorana foana ilay olona. Miezaka izahay, noho izany, ny mba hanisy lamina maharitra ilay izy mba hamokaran-drizareo fa tsy hiononany amin’ny fanampiana. Io ilay antsoin’ny frantsay hoe «activité génératrice» na famokarana fitadiavam-bola hiadiany amin’ny fahantrana. Ho ahy manokana izao dia nihaino ny fitarainan’ny olona manodidina anay ety Besarety ety dia misy miteny hoe tsy manana vary izahay madama na tsy misakafo fa omeo dia manontany azy ianao hoe inona moa no asanareo? Misy ny mpanasa lamba, misy ny mpivarotra hani-masaka dia arakarak’izay no hijerena hoe inona no azo hanampiana azy. Hiverina hanolotra sakafo mafana ho an’ny marefo ara-pivelomana indray izao izahay any amin’ny tapatapaky ny volana jona any. Miisa 250 eo hatrany no ezahanay sy ny mpiara-miombon’antoka ampisitrahana izany. Nanomboka tamin’ireny fihibohana ireny no nanombohana an’io tamin’ny alalan’ny fanomezana vary amin’anana na sakafo maraina azy ireny nandritry ny 1 volana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende : Ny filohan’ny fikambanana Manampy