airtel

Sosialy

16-avril-2024

Fikambanana Manampy

«Ny fanabeazana no zavatra omena tsara indrindra!»

Sample post image

Raha mbola misy koa ny azo atao sy ho zaraina amin’ny mpiara-belona dia tsy mitsahatra

16-avril-2024

manampy araka ny anarany ny fikambanana na «association» Manampy, hoy ny filohan’ity fikambanana ity, Ratsisetraina Ollie, mba hitondra hafaliana ho azy. Niditra tany amin’ireo sekoly fanabeazana fototra miankina amin’ny fanjakana toy ny teny Andravoahangy ambony, Avaradoha, Vohibola, Akorondrano izahay ny volana febroary, martsa, aprily, hoy izy, ho fandraisana anjara amin’ny fanatsarana ny fanabeazana. Nampianatra ny atao hoe etika sy sivisma. Heverina fa mbola kely ny ankizy dia tokony hampianarina an’ireny. Tena misy idiran’ny fanabeazana maha olompirenena io. Atomboka amin’ny hoe «Aza manarinary fako eny amin’ny lalana eny!», ohatra, «Eto no natokana ho an’ny fiampitan’ny mpandeha tongotra.», «Aza mandrorarora na manisinisin-delo eny rehetra eny!», «Miarahaba olona!», izany hoe, ilay fanabeazana fototra mihitsy no tokony averina ary miady mafy hatrany hamerenana izany ho an’ny mpiara-belona rehetra izahay mba hahatonga ny rehetra ho olompirenena vonona sy vanona. Mivelatra be ny fikambanana. Manampy ary misy fikambanana hafa koa miara-miasa aminy. Tsy voatery aty amin’ny boriboritany misy ny foiben’ny fikambanana ihany fa na aiza na aiza manolotra fiaraha-miasa dia afaka mifanatona sy mifanampy rehefa afaka mifanolotra izany. Ny fanabeazana no zavatra omena tsara indrindra! Tsy tambazana vola io ary tsy voavidy vola. Tsy hikely soroka izahay ho an’ny fanabeazana mba hitondra fampandrosoana, hoy hatrany ity fikambanana ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Mikasa hamita tetikasa famatsian-drano ankehitriny ny fikambanana Mamiratra Antehiroka,

Card image cap
25-juil-2024

Nampitolagaga ny maro ny fihetsiky ny vehivavy iray tao Toamasina omaly.

Card image cap
24-juil-2024

Mahamasina Hanomboka anio Alarobia 24 Jolay etsy amin’ny kianjan’i Barea Mahamasina ilay Foara Trano

Card image cap