tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 26 Mai 2023

airtel

Sosialy

Fikambanana misahana ny fifindra-monina Tonga eto ny Kandidan’ny Amerikanina

Mitsidika an’i Madagasikara ny Sekreteram-panjakana Lefitra Amerikana Michele J. Sison sy ny kandidan’i Etazonia

24-mars-2023

Sample post image

ho Tale Jeneralin’ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Fifindra-monina (OIM) Amy Pope. Sambany teo amin’ny tantara no nisy mpifindra monina maherin’ny 100 000 000 maneran-tany, satria atosiky ny ady sy ny loza voajanahary ary ny fahantrana lalina hiala amin’ny toeram-ponenany ny olona ary vokatr’izany dia very ny maha-izy azy ireo ary simba ny fihariany sy ny fanabeazany, hoy ny Amerikanina. Vokany, tonga eo amin’ny kihon-dalana iray amin’ny fijerena ny momba ny mpifindra-monina maneran-tany isika izao. Tonga teto Madagasikara tamin’ity herinandro ity noho izany I Michele J. Sison sy sy Amy Pope hamantatra misimisy kokoa momba ny olan’ny fifindra-monina izay atrehan’ny firenena Malagasy sy hampahafantatra ny vina entin-dRtoa Pope momba ny ho avin’ny OIM. Nihaona tamin’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Yvette Sylla sy ny Minisitry ny Atitany Justin Tokely Rtoa Sison sy Pope, ka niresaka ny fomba entin’ireo firenena mpikambana ao amin’ny OIM toa an’i Madagasikara miatrika ireo fanamby ankehitriny sy amin’ny ho avy ary misitraka ireo tombotsoa mety hoentin’ny fifindramonina azo antoka, mirindra sy manaja ny maha-olona. “Mankasitraka ny governemanta Malagasy aho noho ny fanasany ahy ho tonga eto hifampidinika amin’izay fomba tsaratsara kokoa hoentin’ny OIM mamaly ny filan’ireo olona marefo indrindra sy ny fomba ahafahana mitady vahaolana miaraka hiatrehana ny olana momba ny toetrandro”, hoy Rtoa Pope. Ny Sekreteram-panjakana Lefitra Sison kosa naneho, fa “ny fifandraisan’ny governemanta Amerikana sy Malagasy dia zava-dehibe amin’ny fampiroboroboana ireo tombotsoa iombonan’ny roa tonta, ny fampandrosoana ara-toekarena, ny ady amin’ny tsy fanjariana sy ny tsy fahampian-tsakafo, ny fifindra-monina,…”. Ny 15 Mey ho avy izao no hananterahana amin’ny fomba ofisialy ny latsa-bato hifidianana izay ho Tale Jeneralin’ny OIM.

Toky R

 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fanenana karama farany ambany ho 238.000 Ariary
25-mai-2023

Ireo nitazona 250.000 Ariary indray no voasazy»

Card image cap
Randrana sendikaly «Efa mieritreritra hiverina ho mpandraharaha ve ny filoha?»
25-mai-2023

Rehefa navoakan’ny filankevitry ny minisitra ny hoe 238.000 Ariary aloha ny karama farany ambany dia tadidio fa tsy mbola didy fampiharana iny fa fitanana an-tsoratra, hoy ny Randrana sendikaly.

Card image cap
Fikambanana ADFM Mijoro hanatsara ny toe-karena sy ny sosialin’ny mponina
25-mai-2023

Fikambanam-behivavy niompana tamin’ny fampiroboroboana ny asa tanana sy ny sosialy ary ny fambolena ny ADFM teny am-piandohana na ny Association pour les développement des femmes a Madagascar.

Voir plus