airtel

Sosialy

05-avril-2022

Sosialy

Fikambanana « Porte Bonheur » Nanampy ireo zokiolona teny Alasora

Sample post image

Tsy nanadino ireo Ray aman-dReny nahitana masoandro ny fikambanana Porte Bonheur tahirin-dRazaka Mireille, vadin’ny Ben’ny tananan’Alasora.

05-avril-2022

Vokatry ny fiaraha-miasan’ny fikambanana tamin’ny fikambanana Baobab dia nanolotra kidoro miisa 60 ho an’ireo zokiolona tao Alasora izy ireo ka 3 isam-pokontany no nofidiana tamin’izany. Fokontany miisa 20 no nanaovana ny hetsika ka ireo Ray aman-dReny lehibe indrindra na voky taona no nontsongaina manokana tamin’izany. Mbola notolorana kidoro ihany koa ny CSB II ao Alasora sy ny trano fiterahana ankoatra ireo tena sahirana. Miisa72 ny totalin’ireo kidoro nozaraina izay nezahina notsinjaraina araka ny tokony ho izy. Nambaran-dRazaka Mireille, filohan’ny fikambanana fa hitohy hatrany ny ezaka hataon’izy ireo. Fikambanana miezaka manohana ny Reny sy ny zaza rahateo ny Porte Bonheur ka ankoatra ny fizarana fanampiana tahaka izao dia misy hatrany ny fanomezana fiofanana ireo vehivavy mpikambana mba hahafahany miarina sy miezaka amin’ny fiainana.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fanampiana
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap