airtel

Sosialy

05-nov-2021

Sosialy

Fikarohana ara-pambolena Nivoaka ny karazam-bary “Fy Vary 32” sy “Fy Vary 85”

Sample post image

Ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana miaraka amin’ireo tantsaha mpamokatra Malagasy no voalohany hisitraka ny Karazam-bary roa vaovao nomena ny anarana hoe: “Fy Vary 32” sy “Fy Vary 85”

05-nov-2021

, voka-mpikarohana navoakan’ny fiaraha-miasa teo amin’ny JIRCAS (Japan International Research Institute for Agricultural Sciences) sy ny FOFIFA (Foibem-pirenena momba ny Fikarohana Ampiharina amin’ny Fampandrosoana eny Ambanivohitra) tao anatin’ny Tetikasa FyVary nanomboka ny taona 2017 . Tanjona nimasoan’ny tetikasa FyVary izay fiaraha-miasa eo amin’ny Governemanta Malagasy sy Japoney ny hamoaka vary vaovao ahazoana vokatra ambony na dia ambolena amin’ny tany manta aza. Tontosa ny 04 Novambra 2021 teny amin’ny CNEAGR (Centre National de l’Eau, de l’Assainissement et du Génie Rural) eny Nanisana ny fanolorana ofisialy io voka-pikarohana io, taorian’ny famelabelarana nataon’ireo manam-pahaizana mpikaroka mahakasika ireo dingana nolalovana nandritry ny fikarohana. Hiara-hiombon’antoka amin’ny FOFIFA ny Tetikasa PAPRIZ (Projet d’Appui pour l’Amélioration et de l’Industrialisation du secteur Riz) amin’ny fanapariahana ity karazam-bary vaovao ity. Ny FOFIFA no hamokatra ny masomboly fototra ary ny PAPRIZ no hampitombo sy hametraka ny vala fanehoana manerana ny faritra . Amin’ny taom-pambolena 2022-2023 dia efa azo ampiasaina ireo masomboly ireo, hoy ny fampahafantarana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap