isan-taona eo ny vary tsy maintsy hafarana. Vinaina ho 150 000 taonina amin’ireo 450 000 taonina izay tsy maintsy hafarana no hafaran’ny orinasa SPM amin’ity taona 2022 ity. Tsy manana ampihimamba amin’ny fanafarana vary ny orinasa State Procurement of Madagascar na SPM. Saingy noho ny fanafaran’ny SPM ny ampahatelon’ireo filàna dia manana « prix de référence » ka tsy ahafahan'ireo mpanafatra hafa manao ampihimamba ny vidim-bary indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny maitso ahitra izao. Noho ny fahampian’ny tahiry dia tsy dia maro intsony ireo alaim-panahy hijirika.
Jean D.