Mbola lany ho filoha hitantana izany indray Andrianavalona Ramanambola Herizo izay nanamafy fa tsy mpanafosafo ny sendika. Tsy hanao izay tian’ny fanjakana ihany koa no antom-pijoroanay, hoy izy, fa hanampy sy hiady ho an’ny mpiasam-panjakana. Takianay hatrany araka izany hoy Andrianavalona Ramanambola Herizo ny hametrahan’ny mpitondra ny hasin’ny mpiasam-panjakana. Toraka izany koa ny fifampiresahana eo amin’ny roa tonta raha misy olana hisorohana ny mety hisian’ny grefy. Tsy fidiny ho anay ny fisian’ireny tranga ireny indraindray hoy izy saingy tsy maintsy hirosoana sy hatao kosa rehefa miziriziry ny fanjakana ka minia manam-pintsofina. Tontosa omaly tetsy amin’ny hotel le pave Antaninarenina ny fampahafantarana ireo mpikambana ao anatin’ny birao maharitra miisa 15. Tsiahivina moa fa nahatratra telo ireo mpifaninana tamin’ity filohan’ny SEMPIDOU ity. Lany tamin’ny salan’isam-bato 88,49% ny tenany ho an’ireo mpifidy voasoratra anarana miisa 1.201 ka ny 984 tamin’ireo no tonga nandatsa-bato. Lany ho filoha lefitra kosa Ranaivo Rakotondranosy tamin’ny salan’isam-bato 71,45% raha Rtoa Rakotoarivelo Solotantely kosa no lany ho mpanolontsaina. Nanamafy araka izany ny filohan’ny SEMPIDOU fa tsy hitsitsy izy ireo manoloana ny tsy rariny hatao amin’ny mpiasam-panjakana izay voizin’ny sasany ho resa-politika. Tsy misy hidiran’ny politika izany na kely aza hoy izy fa tsy maintsy mihenjan-droa ny tady rehefa tsy mihaino ny mpitondra fanjakana.
Pati
Legende : Mbola voatazona ho filohan’ny SEMPIDOU Andrianavalona Ramanambola Herizo !
Miverina indray ny fitakiana vatsim-pianarana eny amin’ny anjerimanontolo. Raikitra ny grevy teny amin’ny Sekoly ambony politeknika Vontovorona omaly. Niditra tamin’ny fanakanan-dàlana sy fandorana kodiarana.
Nampaneno lakolosy ny depioten’i Morondava Christophe Tsiliva Didiot omaly nandritra ny fihaonan’ny solombavambahoaka sy ny governemanta omaly,
Nankatoavin’ny Banky Iraisam-pirenena ny fandaharan’asa FSRP (Programme de résilience des systèmes alimentaires pour l'Afrique de l’Est et australe) misy famatsiam-bola mahatratra 2,3miliara dolara.