airtel

Sosialy

09-déc-2022

Sosialy

Fiompiana manara-penitra Fanoitra iray hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo

Sample post image

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly ny eny amin’ny kianja Barea Mahamasina ny tsenabe iraisampirenena momba ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy,

09-déc-2022

na FIEPA andiany voalohany. Mandritra ny 4 andro izy ity ary hetsika iray entina hamporisihina ny amin’ny fampiasam-bola vaovao ho fampisandratana ny sehatry ny fiompiana sy fandraisana anjara amin’ny ezaka fahavitan-tena ara-tsakafo.Mila vokatra azo avy amin’ny fiompiana entina mivelona sy miasa isika, vokatra ilain’ny vatana tomady iadiana amin’ny valanaretina mba hahazoana tanjaka, hoy ny minisitry ny fambolena sy ny fiompiana Harifidy Ramilison nandritra ny lahateniny. Efa iaraha-mahalala fa andry iainkinan’ny fampandrosoana eto Madagasikara ary manana anjara toerana lehibe eo amin’ny ara-tsosialy sy toekarena ary ara-kolotsaina mihitsy aza, ny fiompiana . Ary mbola fanoitra lehibe ho entina hanatrarana ny velirano faha 9 fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’ny isan-tokantrano. Ka noho izany dia ilaina ny paikady fampiroboroboana fotodrafitrasa, fitaovana, ny fomba famokarana ny fitahirizana ny vokatra izay mbola tsy zakan’ireo mpamokatra madinika, hoy ny minisitra.Paikady lehibe efa nankatoavina tamin’ny herintaona io ; manampy izany dia fotoana ihany koa izao ahafan’ireo mpiara-miombon’antoka mitrandraka loharanon-karena hafa, hoy hatrany minisitry ny fambolena sy ny fiompiana.Hita mandritra ny FIEPA eny amin’ny kianja Barea moa ny fampirantiana ireo biby fiompy , manana karazany tsara eto an-toerana sy avy any ivelany, ny fomba fiompiana mahomby mifanaraka amin’ny ny toe-tany, mifanaraka amin’ny vokatry ny fikarohana ara-eknika sy ara-teknolojika eo amin’ny sehatry ny fiompiana.Misy ihany koa ny dinidinika manokana momba fifandraisana ara-barotra sy fifanakalozan-kevitra entina manatsara ny lalam-pihariana fiompiana. Manana i Madagasikara raha biby fiompy no resahana, ahazoana vokatra isan-karazany izy ireny saingy tena mbola mila fanatsarana sy fampanaharahana fenitra mba hahazoana tombotsoa tokoa ho an’ny rehetra, na ny mpiompy io , na ny mpanjifa na ny firenena mihitsy aza.
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap