tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 26 Mai 2023

airtel

Sosialy

Fiompiana omby, akoho, famokarana ronono Miditra an-tsehatra ireo orinasa vahiny

Navoakan’ny filan-kevitry ny minisitra notanterahina omaly alarobia ny anaran’ireo orinasa tsy miankina 3 lehibe, hampiasa vola eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana eto Madagasikara .

23-mars-2023

Sample post image

Voalaza moa fa efa nisy antso natao mialohan’izao fanapahan-kevitra izao ka voalohany amin’izany ny Habibo Group izay hiompy omby vavy be ronono sy hamokatra ronono UHT amin’ny faritra Analamanga, Vakinankaratra ary Atsinanana. Ity orinasa ity dia efa misehatra eo amin’ny resaka tsenaben’ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro, ary farany teo dia ny HABIBO Group no nividy ny fahazoan-dalana manontolon’ny Coca Cola eto Madagasikara ka nahatonga ny orinasa Star tsy afaka nivarotra intsony io zava-pisotro avy any Etazonia io. Miditra an-tsehatra ihany koa ny orinasa Sinoa antsoina hoe SINO-MALAGASY ANIMAL HUSBANDRY Co.Ltd, ka ny fiompiana omby sy osy indray no imasoany ; ity orinasa izay manana ny foibeny eny Ivato ity dia efa manana labatoara manarapenitra , ahafana manondrana henam-biby any ivelany. Voalaza fa hanome torohevitra amin’ny fampiroboroboana ny teknolojian’ny fiompiana ihany koa ity orinasa Sinoa ity miaraka amin’ny fanafarana ireo fitaovana indostrialy mifandraika amin’izany ka any amin’ny faritra Menabe no tena hiasany.Farany dia ny SAVA FARM izay voalaza moa fa hisehatra amin’ny fiompiana akoho, hamokatra atody sy henan’akoho ary ronono any amin’ny faritra Diana sy Sava.Mazava ho azy fa ny orinasa matanjaka no afaka miroso amina fampiasam-bola tahaka izao, ary ny fanjakana aza dia mbola voalaza fa hanampy amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa voafantina isam-paritra ireo.


Tsara ho marihina fa ny orinasa TIKO SA fony izy mbola niodina tsara no hany orinasa Malagasy nisehatra tamina karazana famokarana sy fanodinana vokatra ary fiompiana sy varotra tahaka ny ataon’ireto orinasa voatonona etsy ambony ireto.Ny TIKO no voalohany nametraka tetikasa goavana fiompiana omby vavy be ronono, saingy esoeson-teny sy vava be moa no natao taminy tamin’izany fotoana.Naverina ihany anefa io tetikasa io ankehitriny.
Nangonin’i RTT

Dans la même rubrique

Card image cap
Fanenana karama farany ambany ho 238.000 Ariary
25-mai-2023

Ireo nitazona 250.000 Ariary indray no voasazy»

Card image cap
Randrana sendikaly «Efa mieritreritra hiverina ho mpandraharaha ve ny filoha?»
25-mai-2023

Rehefa navoakan’ny filankevitry ny minisitra ny hoe 238.000 Ariary aloha ny karama farany ambany dia tadidio fa tsy mbola didy fampiharana iny fa fitanana an-tsoratra, hoy ny Randrana sendikaly.

Card image cap
Fikambanana ADFM Mijoro hanatsara ny toe-karena sy ny sosialin’ny mponina
25-mai-2023

Fikambanam-behivavy niompana tamin’ny fampiroboroboana ny asa tanana sy ny sosialy ary ny fambolena ny ADFM teny am-piandohana na ny Association pour les développement des femmes a Madagascar.

Voir plus