airtel

Sosialy

05-avril-2022

Sosialy

Fiompiana sy fambolena Tantsaha 165 notolorana fampitaovana

Sample post image

Nisitraka fanampiana ara-pitaovam-pamokarana sy famatsiana biby fiompy (omby, ondry) ahafahan’izy ireo mampivelatra sy mampiroborobo ny sehatra fiompiana izay efa niveloman’izy ireo teo aloha ny vondrom-pamokarana

05-avril-2022

 miisa 8 ao anatin’ny faritra Ihorombe. Ondry miisa 258, omby vavy be ronono miisa 2, sy kibôta miisa 2, no natolotry ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana ireto vondrona ireto, izay ahitana mpamokatra miisa 165. Angady nananana sy vy nahitana izany ny FDA (Fonds de Développement Agricole), izay vatsian’ny FIDA (Fonds International de Développement Agricole) vola, ka ny Kaominina Ankily, Tolohomiady ary Ambia no nisitraka ny fanolorana ny fitaovana sy hanam-pamokarana andiany faharoa avy amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana (𝗠𝗜𝗡𝗔𝗘), ho an’ireo tantsaha mpamokatra mpahazo tombontsoa novatsian’ny FDA Ihorombe vola, vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny Fandaharanasa « DEFIS » izay famatsiambolan’ny 𝗙𝗜𝗗𝗔. Tohin’ny fandaharan’asan’ny PROSPERER izao, izay misahana ny fanohanana ny tantsaha mpamokatra hisandratra sy hanatsara ny seha-piharian’izy ireo ho fandraisana anjara amin’ny fahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Tanjon’ny tohana ny fanatsaràna ny vokatra amin’ny fambolena vary, fiompiana ondry sy omby vavy be ronono ho an’ireto fikambanana, ka hanatraràna ny fahavitantena ara-tsakafo sy ny firosoana amin’ny maha matihanina ho an’ireto mpamokatra, araka ny velirano faha-9 sy faha-6, hoy ny tatitra. Raha 65 hektara teo aloha ny tany novelana vary dia lasa 137 hekitara izany ka ahazoana vary 205 Taonina. Ezaka izay miankina voalohany amin’ny andraikitry ny MINAE ary mifantoka amin’ny fanampiana ireo tantsaha eny ifotony sy any ambanivohitra, miparitaka manerana ny faritra eto Madagasikara, hoy hatrany io Minisitera io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap
26-mars-2024

Tontosa omaly tetsy amin’ny foiben’ny NIM na «Nouvelle institution de microfinance»

Card image cap
26-mars-2024

Azo lazaina ho efa manomboka mipetraka ankehitriny ny fahatokisan’ny malagasy ny NIM na

Card image cap
26-mars-2024

Midangana fatratra toy ny eto an-drenivohitra ihany ny vidim-bary ao amin’ny tsenan’Ankazobe amin’izao fotoana izao.

Card image cap