12 taona no zandriny indrindra raha araka fanadihadiana natao. 1 amin’ny 3 no manao izany alohan’ny faha-18 taonany, raha araka ny fifampizarana nataon’ny Forum Generation Egalite tamin’ny mpanao gazety omaly.Misy amin’izy ireo noho izany no tsy mahalala akory izay fotoana hahabevohoka azy, antony mahatonga ireo zazavavy kely dia miteraka toy ireo 13 taona dia efa Reny…Maika araka izany hoy ity vovonana ity ny fampidirana ny fanabeazana momba ny fananahana feno eny anivon’ny sekoly. Ankoatra izay moa dia navoitran’izy ireo fa anisan’ny antony mampirongatra ny aretina SIDA eto amintsika ihany koa izany fanaovana firaisana ara-nofo aloha loatra izany ka tena mila fanabeazana hentitra sy feno ny tanora hiarovana azy ireny tsy hihoampefy.
Pati
Sary fanehoana : Maika ny fampitana izany any an-tsekoly !