hoy ny Firaisankinan’ny mpiasa malagasy na “Collectif des travailleurs” niantso izay mahatsiaro ny tenany ho mpiasa rehetra mba hanatontosa fivoriambe miaraka amin’izy ireo eny amin’ny Live Hotel Andavamamba ny zoma izao. Nanomboka oviana, hoy izy ireo, no nisy propagandy toy izao teto amin’ity Madagasikara ity? Dia mbola tsy hiteny foana izany ny mpiasa malagasy satria ny mpanao politika tsy afaka hifanatona intsony? Efa niantso hatrany ny raiamandreny hoe andao hifanatona! Tsy nanaiky foana ireo! Fa maninona no atao an’izany ity tany ity? Miantso ireo raiamandreny ara-panahy hatrany izahay hiala nenina. Aza kivy ianareo! Ianareo no hitanay fa lalana ho any amin’ny vahaolana satria tsy maintsy hitadiavana vahaolana izao na iza faly na iza tsy faly. Raha tsy mety hiavana ianareo mpanao politika dia tsy hiavana izahay mpia sa malagasy, indrindra, izahay mpiasam-panjakana. Ampikatsoanay io asam-panjakana io rehefa tsy hiavana ny mpanao politika dia izay hifanosehantsika eto! Tsy ny sitrapon’ny mpanao politika no atao eto na ny an’ny depiote. Izahay mpiasa koa mba marary. Rehefa tsy hihaino ny fitondram-panjakana dia izay. Manarama olona eraky ny arabe indray izy hitety an’io minisitera io rehefa tsy mety aminy izay. Asaivo mitady “gros bras” indray izy hiditra any amin’ny minisitera hanao io asanay rehetra io, hoy hatrany izy ireo!
J. Mirija
Toy ny mahazatra, mipatrapatraka ny fampanantenana sy ny filazana fa miasa sy