airtel

Sosialy

29-avril-2025

FISARAHAM-PANAMBADIANA

Zaza 9 amin’ny 25 iray kilasy no manana Ray aman-dReny ara-dalana

Sample post image

Mahazo vahana tanteraka ny fisaraham-panambadiana eto amintsika.

29-avril-2025

Ankoatra ireo efa tonga mangataka fisarahana eny amin’ny tribonaly dia tsy vitsy ireo misara-toerana, samy maka ho azy nefa efa samy manana ny fiainany ihany koa eny anivon’ny fiaraha-monina eny. Ny ankizy hatrany anefa no tena lasibatra sy mizaka ny vokatr’izany amin’ny ankapobeny. Raha araka ny fanadihadiana natao tamina sekoly tsy miankina iray eny Atsimondrano eny ohatra dia saika miaina izany avokoa ny ankamaroan’ireo mpianatra ao aminy. Ho an’ny kilasy iray ohatra dia zaza 9 amin’ny 25 isa eo ho eo sisa nomba manana Ray aman-dReny ara-dalana mitaiza azy. Ny ankoatra izay mipetraka amin’ny Renibeny na ny Reniny. Ny sasany mipetraka amin’ny Raikeliny na ny Renikeliny. Ny sasany kamboty dia mipetraka aman-kavana. Ny sasany tezain-drahavavin-dReniny…. Maro karazana ireo tranga ireo, raha araka ny resaka nifanaovana tamina ankizy vitsivitsy. Misy ny Reniny no tompon-trano dia tsy nifanaraka izy mivady ary lasa Rangahy. Misy indray hitambaran’izy mivady ny trano saingy niseho ny olana ka ny iray ao ambony rihina raha ao ambany rihina ny iray. Ny sasany indray mifanalavitra mihitsy ireo Ray aman-dReny ka rehefa andavanandro dia any amin-dRamatoa raha mody any amin-dRangahy ny ankizy rehefa faran’ny herinandro…. Tsiahivina moa fa mahatratra 60 isa isan’andro ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga etsy amin’ny tribonaly Anosy amin’izao fotoana izao.
Pati
Legende : Antony tsy mampahay ny ankizy ny fisaraham-panambadiana misy eo amin’ny Ray aman-dReny !
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Raikitra ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa, karakarain’ny Fikambanana Fivoarana,

Card image cap