airtel

Sosialy

26-nov-2021

Sosialy

Fisondrotan-karama 11% Tsy mifanaraka amin’ny fidangan’ny vidim-piainana, hoy ny SSM

Sample post image

Ho fanamarihana ny andro hiadiana amin’ny herisetra atao amin’ny vehivavy na ara-batana na saina na nofo dia nanao fanambarana tetsy amin’ny Le Glacier Analakely omaly ny firaisankina sendikaly eto Madagasikara na SSM

26-nov-2021

 fa mitaky izy ireo ny hanatsaharana izany herisetra amin’ny endriny rehetra atao amin’ny vehivavy izany sy ny mianjady amin’ny mpiasa tsy an-kanavaka na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Mitaky koa ny hanitsiana ny karaman’ny mpiasa tsy an-kanavaka hifanaraka amin’ny fidangan’ny vidim-piainana tena izy izay efa mahatratra 30% raha oharina amin’ny fisondrotan-karama ny taona 2019. Takiana ny handaniana ny volavolan-dalana momba ny sata vaovao mifehy ny mpiasam-panjakana eny amin’ny parlemanta mba tsy ho ela fa hivoaka ho lalana manan-kery. Herintaona izao no namolavolana ny fanavaozana ifotony ny sata mifehy ny mpiasam-panjakana niarahan’ny sendika tamin’ireo tekinisianin’ny minisiteran’ny asam-panjakana. Volavolan-dalana mifanaraka amin’ireo fifanarahana iraisampirenena laharana faha 151 sy 154 an’ny OIT izay efa nankatoavin’I Madagasikara ny taona 2018. Nosoniavin’ny filoham-pirenena tany Geneve ny jona 2019 ary efa nipetraka ho lalana manan-kery ny jona 2020. Miantoka ny fitoniana sy miteraka asa fampandrosoana eto amin’ny firenena io. Sintomina noho izany ny lakolosy ny amin’ny hanovana ilay fisondrotana 11% voarakitry ny lalana mifehy ny tetibola izay mbola handalo eny amin’ny antenimieran-doholona fa tsy mifanaraka amin’ny fidangan’ny vidim-piainana intsony. Be dia be ny zo fototra tokony ho an’ny mpiasa ao anatin’ny sata mifehy ny asam-panjakana nefa tsy omena azy. Maika ny fandinihana izany eny amin’ny parlemanta, hoy hatrany izy ireo.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny SSM, Herizo Andrianavalona sy ireo mpikamban’ny SSM omaly
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap