airtel

Sosialy

15-juil-2022

Sosialy

Fisondrotan-karaman’ny tsy miankina Hivoaka tsy ho ela ilay didim-panjakana

Sample post image

Hivoaka tsy ho ela ny didim-panjakana mampihatra ny fisondrotan-karama ho an'ny mpiasa tsy miankina, ary efa eo an-dalam-pikarakarana izany ny tomponandraikitra, raha ny nambaran’ny praiminisitra Ntsay Christian ny

15-juil-2022

marainan’ny omaly 14 jolay 2022, nandritra ny fanokafana ny tetikasa momba ny fandrindrana ara-bola ny fampandrosoana ny angovo azo havaozina eto Madagasikara teny Ivato. « Ny zavatra misy, mbola misy fifampiresahana kely fa tena ao anatin’ny fotoana fohy dia hivoaka ny didim-panjakana. Nambara ombieny ombieny fa miakatra ny karama na ny an’ny Fanjakana na ny tsy miankina ny Fanjakana, ka ny fanatanterahana izany ho hataontsika izao », hoy ity tompon’andraikitra ambony ity. Efa roa volana mahery izay no niresahan’ny Filoham-pirenena. Efa ny volana aprily no nilazany fa tsy maintsy hiakatra ny vidin-tsolika, ary ho fanalehafahana ny fahasahiranan’ny vahoaka no nampiakarana ny karama. Ny an’ny mpiasam-panjakana nakarina avy hatrany, nihatra nanomboka ny volana may, ka 5 hatramin’ny 25% ny fiakarana, raha toa ka 250 000Ar ny karama farany ambany. Nisy ny fifampiresahan’ny Fanjakana notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ireo Vondron’ny mpandraharaha tsy miankina, ka taorian’izany no namoahan’ny Fanjakana fa nakarina ho 250 000Ar ny karama farany ambany, ary ankinina amin’ny mpampiasa ny fampiakarana ho an’ny karama ambonin’izany arakaraka ny sokajiny. Andrasana izay ho votoatin’ny didim-panjakana havoakan’ny Fanjakana. Hisy ihany koa ve ny fanonerana na « rappel » amin’izany satria ny tsy mpiasam-panjakana efa ny nanomboka ny volana may no nisitraka fisondrotana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap